Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rotary sy Star: nahazo rano fiisotro ny eny Ambohimarina Itaosy

Rotary sy Star: nahazo rano fiisotro ny eny Ambohimarina Itaosy

Notokanana, omaly, ny fotodrafitrasa paompin-drano, mamatsy rano madio fisotro ny mponina eny amin’ny fokontany Ambohimarina Itaosy, distrika Atsimondrano, faritra Analamanga. Tanteraka izany vokatry ny fangatahan’ny mponina tany amin’ny fikambanana Rotary, ary nandroso ny tetikasa tany amin’ny orinasa Star. Nanaiky hanatanteraka izany ny Star ka hahazo tombontsoa amin’ity paompin-drano ity ny fianakaviana miisa 105, ahitana olona maherin’ny 400.

Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Star, nandritra ny fotoana omaly, fa “zava-dehibe ny asa fanasoavana ny vahoaka toy izao, ahazoan’ny mponina rano madio fisotro sy ara-pahasalamana ary ara-pidiovana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharasan’ny Star amin’ny asa sosialy amin’ny maha orinasa tompon’andraikitra (RSE) azy izao hetsika izao.

Mba hisian’ny fandraisana andraikitry ny mponina sy ny mpahazo tombontsoa, hakana sandan-drano kely ny fantsakana rano eo amin’ity paompy ity. Antony, hikojakojana ny fotodrafitrasa sy hahatsapan’ny mpampiasa azy fa zava-dehibe ny fotodrafitrasa mitondra tombontsoa azy ireo toy izao.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.