Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

«Rallye Virtuel Mada»: hiditra amin’ny dingana farany

«Rallye Virtuel Mada»: hiditra amin’ny dingana farany

Tafapetraka ny fanamby ho an’ny mpikarakara eo anivon’ny FSAm sy VMRC ny amin’ny fanatanterahana ny ambaratonga farany. Manakaiky ny daty dingana farany hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Rallye Virtuel”. Hotontosaina ny asabotsy 3 novambra ao amin’ny Gascom Nooro Tower eny Ambohitrarahaba izany. “Contest Final Round” ny iantsoana izao dingana farany izao.

Efa nisokatra, omaly alakamisy 26 oktobra, ny fisoratana anarana amin’ity fifaninanana ity, hanasana ireo mpanamory amin’ny sokajy “licenciés” sy “amateurs” ho tonga handray anjara. Amin’ity rahateo ny dingana farany amin’ny fifaninanam-pirenena taona 2018 ho an’ny “licenciés” sy ny fifanakalozana traikefa ho an’ny “amateurs”.

Halavirana mirefy 100 kilometatra, farafahakeliny, no hifaninanan’ireo mpanamory mandray anjara amin’ity indray mitoraka ity.

Hiavaka ny lalao satria amin’ny maha dingana farany azy, ho matihanina kokoa ny fitsapana manokana (ES), manaraka ny rafitra ao amin’ny “RoadBook”. Toy ny mahazatra, ny “Richard Burns Rally” hatrany ny fitaovam-panazarana hilalaovan’ny mpanamory rehetra.

Tsara ny manamarika fa manana hatramin’ny zoma 2 novambra amin’ny 6 ora hariva ireo mpanamory hahafahana misoratra anarana ho amin’ity dingana farany hiadiana ny tompondaka nasionaly “Rallye Virtuel” ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.