Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rakotra Emmo/Reg tetsy Mahamasina: tsy nahazaka vahoaka, nandamoka ny hetsik’ireo kandidà

Rakotra Emmo/Reg tetsy Mahamasina: tsy nahazaka vahoaka, nandamoka ny hetsik’ireo kandidà

Tsy manana paikady sy tsy mahazaka vahoaka. Nirava maina ny hetsika nokasain’ireo kandidà hatao tetsy Mahamasina, omaly. Efa rakotry ny mpitandro filaminana vao maraina ny teny an-toerana. Nahatsiaro tena ho voafitaka koa ireo olona vitsivitsy nikasa hiara-dia amin’izy ireo. “Tokony hanao diabe hanatitra ny fehinkevitra eny amin’ny HCC izahay, saingy tsy nisy izany fa efa rakotra Emmo/Reg eto. Tsy maintsy hisy ny hetsika lehibe amin’ny manaraka fa najanona izany, androany (omaly), ho fisorohana ny mety ho korontana”, hoy ny kandidà Ramaroson Arlette. Nanteriny fa tsy maintsy hihetsika izy ireo, hiara-kirohotra hidina an-dalambe raha tsy misy fepetra horaisin’ny fanjakana ao anatin’ny 72 ora, indrindra mikasika ny fitakian’izy ireo amin’ny hanamboarana indray ny lisi-pifidianana. “Tsy maintsy sokafana ny lisi-pifidianana ary tsy maintsy hahemotra ny fifidianana”, hoy ihany izy.

Nampitsahatra ny fampielezan-kevitra nataony…

Na izany aza, nihazo ny teny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra sy nidina teo amin’ny HCC Ambohidahy ihany izy ireo, nanatitra izany fehinkevitra izany. Nisolo tena azy ireo ny kandidà isany, Rakotomamonjy Jean-Max, i Fanirisoa Ernaivo, ny pasitera Mailhol ary i Dadafara, tamin’ny fihaonana amin’ny filoham-panjakana Rakotovao Rivo sy ny teny amin’ny HCC.

Tsiahivina fa ankoatra ny nanomezana 72 ora ny mpitondra, nilaza ny hampitsahatra ny propagandy ataony ireto kandidà 26 ireto. Ny maro amin’izy ireo rahateo, efa tsy nanao izany mihitsy hatramin’ny voalohany.

Randria

Les commentaires sont fermées.