Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nampiaka-peo ny filohan’ny Ceni: « Aoka tsy hokorontanina ny saim-bahoaka… »

Nampiaka-peo ny filohan’ny Ceni: « Aoka tsy hokorontanina ny saim-bahoaka… »

Hentitra sady nampiaka-peo ny filohan’ny Ceni, Rakotomanana Hery, manoloana ny feo miely sy ny vaovao tsy mitombina ka zary hararaotin’ny sasany amin’izao fotoana izao.

Nampitandrina ny amin’ny tokony hipetrahan’ny fitoniana amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao ka tsy hampiroaroa saina ny olom-pirenena. « Aoka tsy hokorontanina ny saim-bahoaka. Raha misy manana porofo fa efa misy biletà tokana efa voatsipika na biraom-pifidianana (BV) matoatoa na fanampiny, ento aty hiarahana mijery izany. Misy mandroritra etsy sy eroa ny momba izany ka lasa manahirana. Tsy mahasoa ny firenena ny resaka any ambadika any », hoy izy.

Tsy maintsy misy sonia roa…

Notsiahiviny fa efa nivoaka amin’ny gazetim-panjakana ny momba ny isan’ny BV ary mbola hampahafantarina amin’ny herinandro amin’ny alalan’ny teknolojia koa aza izany hahitana ny tena marina. Nohazavainy koa fa tsy maintsy ahitana sonian’ny mpikambanan’ny BV miisa roa ny biletà tokana vao manan-kery.

Etsy andaniny, nitondrany fanazavana koa ny antony tsy namalian’ny Ceni ny fanasan’ireo kandidà 17 tamin’ilay ambara fa fihaonambe mahatapaka teny Ivato, afakomaly. “Resaka teknika ny anay fa tsy miditra amin’ny politika ka tsy misy antony handehananay eny. Tsy anjaranay mihitsy ny miditra amin’izany”, hoy ihany ny filohan’ny Ceni.

Efa misy lamina manokana ao amin’ny BV

Nanteriny fa ny fihaonana natao teny Nanisana niaraka amin’ny kandidà kosa, tena ao anatin’ny tokony hataon’izy ireo momba ny lafiny teknika.

Tsiahivina fa nampahafantarina teny amin’ny foiben’ny Ceni, omaly, ny fizotra sy ny fombafomba ary ny dingana rehetra hataon’ny mpifidy amin’ny andron’ny latsa-bato.  “Tsy ho tafiditra ao amin’ny BV mihitsy ny biletà tokana efa voatsipika. Efa misy lamina sy toromarika ho an’ireo mpikamban’ny birao ho fisorohana ny mety hitranga na ny tsy fanarahan-dalàna”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Razafindrabe Ernest.

Synèse R.  

 

Les commentaires sont fermées.