Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Marofoto Mahajanga: voafonja telo tafatsoaka

Marofoto Mahajanga: voafonja telo tafatsoaka

Nisehoana vaky fonja tany Marofoto Mahajanga, ny alakamisy lasa teo. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy 45 minitra antoandro no tafatsoaka ny voafonja telo lahy tao an-toerana, raha ny fanazavana voaray tamin’ny tale misahana ny fandraharahana ny fonja any Mahajanga, Randrianasolo Johachim. Ora vitsy taorian’io anefa, efa voasambotra ny iray raha toa ka mbola karohina ny roa hafa. Tsy mbola nisy fanazavana kosa anefa ny antony nahavaky ny fonja na nahatafatsoaka azy telo lahy ireo. Mandeha ny famotorana ilay iray voasambotra.

Vao ny herinandro teo ny nanazavan’ny Amnesty International fa tena efa feno ny fonja eto amintsika. Anisan’ny loza mitatao ny mety hahavaky ny fonja noho ny hamaroan’ny olona voatazona ao aminy. Tsy ampy ny tetibolam-panjakana amin’ny fikarakarana ny fonja efa misy. Misy ihany ny tetikasa ny amin’ny hananganana fonja vaovao, saingy mbola mijanona ho resaka ihany anefa izany.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.