Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mandidy vato mendrika: haranty any London ireo vokatra tsara

Mandidy vato mendrika: haranty any London ireo vokatra tsara

Ravaonorovola Julien, anisan’ny nahazo ny voalohany tamin’ny fifaninanana “Open” mikasika ny fandidiana vato, nokarakarain’ny Institut de gemmologie de Madagascar (IGM) sy ny BCMM. Nampahafantarina, omaly, izany vokatra izany nandritra ny lanonana famaranana ny hetsika “Tsenaben’ny vatosoa sy ny firavaka” tetsy Ivato.

Ratiarimanana Maminiaina kosa ny nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana “Master”. Efa nandalo sedra maromaro nandritra ny taona maromaro ny tenany vao tonga amin’izao fahamendrehana izao.

Enina mianadahy ireo notolorana loka ho amin’ny fahamendrehana amin’ny fandidiana vato. Haranty any London, mandritra ny Conférence internationale des Gemmologues amin’ny volana novambra, ireo sangan’asan’izy enina mianadahy ireo.

“Sehatra nahafahana namantatra ny lentan’ny Malagasy amin’ny fahaizana mandidy vato iny fifaninanana iny”, hoy ny talen’ny IGM. Afaka misedra ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo amin’izao fotoana izao satria mpitsara iraisam-pirenena mihitsy no nitsara ny asa tanan’izy ireo ary nahafantatra ny fahaiza-manaony.

Marihina fa ambony kokoa ny vidin’ny vato voadidy aondrana miohatra amin’ny vato bolabola tsy mbola nandalo fandidiana. Mampiakatra ny harinkaren’ny mpandidy vato izany ary mampiditra vola betsaka ho an’ny fanjakana ihany koa.

Tsiahivina fa efa telo taona nisesy ny nisian’ny fifaninanana momba ny fandidiana vato. Tanjona ny hamaly ny filana iraisam-pirenena sy hampahafantatra izao tontolo izao fa manana ny fahaiza-manao momba izany isika.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.