Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Barea de Madagascar: betsaka ireo mpilalao mitonona ho Malagasy

Kitra – Barea de Madagascar: betsaka ireo mpilalao mitonona ho Malagasy

Hatramin’ny nahazoan’ny Barea de Madagascar ny tapakila hiatrehana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, amin’ny taranja baolina kitra, ifarombahana sy ihazakazahana ny hiditra ho mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Betsaka, araka izany, ireo mpilalao any ivelany, indrindra fa ny ao Frantsa, mitonona ho manana rà Malagasy na milaza mihitsy fa teratany malagasy.

Anisan’izany i Jeremy Morel, vodilaharana ao amin’ny ekipan’ny Olympique Lyonnais. Voalazan’ny loharanom-baovao fa Malagasy ny rainy, teraka tany Antsinanana ary nilalao tao amin’ny ekipan’ny AS PTT. Ny mampiavaka azy ity, ny tenany mihitsy no niantso an’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, fa tsy mba niandry antsoina. Nialoha ny fihaonan’ny Barea de Madagascar tamin’i Ginea Ekoatorialy no nanaovany izany.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.