Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kandidà Rajoelina: “Voasedra aho ary vonona hanavotra an’i Madagasikara »

Kandidà Rajoelina: “Voasedra aho ary vonona hanavotra an’i Madagasikara »

Tafahaona amin’ny vahoaka ihany na teo aza ny sakantsakana. “Efa efa-taona aho ny niomana. Voasedra aho ary vonona tanteraka hanavotra an’i Madagasikara”, hoy ny kandidà Rajoelina, omaly tany Farafangana. Nitohy tany Vohipeno sy Ambalavao izany avy eo. Nambarany fa hovaina ny haizina sy ny hirifiry ary ny fijalian’ny vahoaka eto amin’ny firenena. Naneho ny fahavononany hampandroso an’i Madagasikara ny tenany tamin’ny lahateniny. “Tsy ho azo fitahina ny fitiavanareo sy ny fahatongavanareo marobe”, hoy izy.

Niharan’ny antsojay ny kandidà laharana faha-13

Hanova isika amin’ny 7 novambra satria hanana filoha tanora indrindra aty Afrika, araka ny nambarany. “Mila filoha tanora sy mahavita azy isika sy ny firenena”, hoy izy.

Nalahelo ny mpanorina ny IEM tamin’ny tsy namelana azy hanao propagandy tao amin’ny kianjan’i Farafangana. Na izany aza, nambarany fa tsy tokony ho olom-bitsy tahaka izany ny hanakana ny firenena. “Tiako ianareo tanora eto ka na nosakanana aza isika, hatao manara-penitra io kianja io…”, hoy ihany izy.

Nohitsiny fa maro ireo manenjika, saingy tsy hampihemotra azy izany. Natsidiny tahaka ny efa natao tany amin’ny faritra hafa ny vinan’ny IEM. Eo ny hanomezana fitaovana informatika ny EPP, ny CEG, ny lycée any an-toerana.

Tsy ho gisitra intsony…

Hampitomboina ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo nohavaozina ka hihena ny vidin-jiro. Notsindriny fa hitsinjo ny vehivavy sy ny tanora ary ny marefo hatramin’ny sahirana ny tenany. “Hitsinjo ny vahoaka malagasy rehetra isika. Hitondra fanantenana sy fanavotana ny volomboasary. Vonona hanampy ny olona liana fandrosoana sy fivoarana ny tenako. Horesentsika amin’ny tsara ny ratsy. Tsy maintsy handroso isika ka tsy ho gisitra intsony fa ho lohany. Tandremo voarebireby, ampy izay ny fitaka sy ny fividianana vato. Ampio aho hahafahako manavotra an’i Madagasikara”, hoy izy.

Randria 

 

Les commentaires sont fermées.