Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FJKM Antsahamaina Fanantenana: noraisin-tanana ny mpitandrina Razafindratsimba

FJKM Antsahamaina Fanantenana: noraisin-tanana ny mpitandrina Razafindratsimba

Noraisin-tanana, ny alakamisy lasa teo, ny mpitandrina Razafindratsimba Tovoson Jeremia, mitandrina ao amin’ny FJKM Antsahamaina Fanantenana ao Manjakandriana, synodam-paritany Antananarivo Atsinanana. Novoasana nandritra ny toriteny notarihin’ny filoha synodaly, ny mpitandrina Rabenantoanina Harimanana Philbert, fa olona voaantso manokana ny manao ny asa fitandremana. Olona voafidy ny manatanteraka ny asa fitandremana izay tsy mora satria misy fisedrana maro nefa tsy niala ny mpitandrina Razafindratsimba fa teo hatrany manohy ny asa fitoriana ny filazantsara.

Nanambara kosa ny mpitandrina vao noraisin-tanana fa hiezaka hampandroso ny fiangonana amin’ny fitoriana filazantsara.Vinan’asa voalohany hotanterahiny ny hitaona ny kristianina tsy hamadika intsony satria voararan’ny Baiboly izany. Tokony hirosoana ny fiainana kristianina fa tsy ho variana amin’ny zavatra hafa ny mpino. Ezaka faharoa ny famitana hatramin’ny farany ny trano fiangonana amin’ny FJKM Antsahamaina Fanantenana.

Marihina fa fotoan-dehibe ho an’ny FJKM ny fandraisan-tanana mpitandrina sahala amin’izao. Andalan-tSoratra Masina nosafidina ny ao amin’i Jer.7 :20 « Jehovah o, notaominao aho ka voataona, nosamborinao ka resinao ».

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.