Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsaram-bahoaka tany Ambodihazinina: mivonona amin’ny mety ho valifaty ny fokonolona

Fitsaram-bahoaka tany Ambodihazinina: mivonona amin’ny mety ho valifaty ny fokonolona

Amin’ny mety ho fampitahorana ataon’ny polisy fa hanao valifaty ny fokonolona, nambaran’ny loharanom-baovao iray fa efa vonona ary miandry am-bavaantsy ihany koa ny fokonolona any Ambodihazinina Fenoarivo Atsinanana amin’izao. “Raha ho tonga hanao fanadihadiana manaraka ny lalàna kosa, tsy olana izany fa azo atao tsara mihitsy. Misy ny milaza fa nandositra niala ny tanàna ny fokonolona. Tsy mitombina izany fa ny zaza amam-behivavy ihany no noesorina niala ny tanàna sao hataon’ny polisy tahaka ny tany Antsakabary eo “, hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Amin’ny ankapobeny, efa mahatsiaro ho tanàna tsy misy fanjakana amin’iny faritra avaratra mpamokatra lavanila iny fa hanaovan’ny mpitandro filamianana sasany amboletra hatrany ny mpandraharaha ho fantsakan-drano raha mangetaheta izy.

Amin’izay raharaha fitsaram-bahoaka tao Ambodihazinina Ambatoharanana, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana izay, sy saika nisehoana fitsaram-bahoaka ihany koa tao Vavatenina, ny alakamisy teo izay hatrany, tonga tao Fenoarivo Atsinanana sy tao Vavatenina ny minisitry ny Filaminana anatiny sy Atitany nandamina ny raharaha.

Efa nanao fanambarana ihany koa ny Praiminisitra Ntsay Christian fa tsy mendrika ny fitsaram-bahoaka, ary nanentana ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana izy ireo hanao ny asany matihanina kokoa.

Sajo

Les commentaires sont fermées.