Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fisandohana: tratra ny roa lahy milaza ho mahatafiditra ho mpianatra zandary

Fisandohana: tratra ny roa lahy milaza ho mahatafiditra ho mpianatra zandary

Tratra ihany ireto mpisoloky ho milaza fa mahatafiditra mpianatra ho zandary. Vola efa antapitrisany ny azon’ireo. Tany Ambositra, teo am-panaovana ny asa ratsiny, izy ireo no tratra.

Voasambotry ny zandary tany Ambositra ny olona roa omaly. Mpisoloky milaza ho mahatafiditra mpianatra ho zandary ary milaza ihany koa ireto farany fa mitana andraikitra ambony ao amin’ny sekolin’ny zandarimaria any Ambositra. Efa nahazo vola 9 tapitrisa ariary izy roa lahy ireo tamin’ity fisolokiana ity.

Rehefa misy ny fifaninanana hidirana ho zandary, na efa lazaina izao aza fa atao anatin’ny magarahara izany, milaza indray izy ireo fa mody atao an’izany fotsiny io fa tsy maintsy mandoa vola ihany vao afaka. Misy ireo roboka ka nanome vola azy ireo. Haterina any Antsirabe, anio, ireo satria ny zandary tany no nampandre ny fisian’ireo olona ireo nankany Ambositra. Izay ny nahavoasambotra azy ireo tany an-toerana.

Efa olona maromaro ny tratran’ireto mpisoloky ireto ka miandry izay olona hametraka fitoriana ny zandary.

Misy hatrany amin’ny fifaninanana

Tsy amin’ny fifaninanana hidirana ho zandary ihany anefa ny misy fisandohana sy fakana vola tahaka izao fa rehefa amin’ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana. Maro ny olona efa voasoloky ka nahazoan’ny mpisoloky vola antapitrisany. Tsy vitsy koa ny efa voasambotra tamin’izany, saingy misy hatrany ireo olon-dratsy.

Tena misy koa anefa ny fakana vola amin’ireny fifaninanam-panjakana ireny. Misy hatrany koa ny olona mitady izay lalana heveriny fa mahafaka izay ka tsy mahagaga raha misy ny mpisoloky. Mbola ho ela ihany koa vao ho afaka amin’ny eto amintsika ny fanaovana kolikoly sy ny fisandohana tahaka izao.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.