Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faribolana Sandratra: hanolotra ny « Lazon’ady » izy efatra mianadahy

Faribolana Sandratra: hanolotra ny « Lazon’ady » izy efatra mianadahy

Nahoana no atao hoe « Lazon’ady » ? « … Mila fitozoana ny fanoratana sy ny fanaovana hetsika ho an’ny literatiora. Vitsy ny olona mbola manohy izany asa izany raha vao mitombotombo taona. Izahay efatra mianadahy ireto izao, samy nanomboka nanoratra tany ho any amin’ny faha-18 taony tany avokoa. Ankehitriny, efa samy ray sy renim-pianakaviana avokoa. Izay fitozoana izay ilay lazon’ady », hoy i Tsitohery. « « Lazon’ady », satria tsy difotry ny fotoana sy ny zava-misy maro nitranga teto amin’ny firenena fa mbola nikiry nanoratra ihany na nahalankalana ihany aza. Noho ny fangatahan’ny mpikambana maro ny antony nijoroana nanaovana izao hetsika izao », hoy i Riso Lalason.

I Gazela Meva, i Tsitohery, i Aro ary i Riso Lalason indray no hanolotra ny hakanton’ny diam-peniny etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy, anio tolakandro . « Lazon’ady », antsa tononkalo tafiditra ao anatin’ny hetsika fanaon’ny faribolana Sandratra isam-bolana. Marihina fa « Lazon’ady » ihany koa ny lohatenin’ilay boky hirakitra ireo tononkalon’izy efatra mianadahy hantsaina eny an-tsehatra amin’io fotoana io. Anisan’ny handravaka ny fotoam-panokafana ny « Lazon’ady » i Fy Zo Rakotomalalason (zanak’i Riso Lalason) sy ny feom-balihany.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.