Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanadinana bakalorea – Antananarivo: anisan’ny mendrika Ranjalahy Cedric

Fanadinana bakalorea – Antananarivo: anisan’ny mendrika Ranjalahy Cedric

Sangany ary anisan’ny nahazo naoty ambony tamin’ireo tanora afa-panadinana bakalorea teknika Comptabilité Générale (CG) farany teo Ranjalahy Cedric, tovolahy 17 taona, mianatra ao amin’ny LTC Ampefiloha.

Nahazo ny fanamarihana “mention très bien” i Cedric tamin’izany, izay midika fa mahay, mendrika ary reharehan’ny ray aman-dreniny. Marihina anefa fa kilasy “1ère” izy izao nanandrana nanala fanadinana bakalorea izao ary natoky ny fahaizany tanteraka ka izao nahazo “mention très bien” izao.

Maniry ny ho tonga “expert comptable” i Cedric rahatrizay. Hanohy hianatra eny amin’ny oniversite ny tenany. Hilofo amin’ny fianarana izy ary tsy maintsy hahatratra izany tanjona izany raha ny fikirizany.

Ankizy mahay i Cedric satria efa anisan’ny ankizy nahazo ny naoty ambony indrindra koa izy tamin’ny fahafahany fanadinana CEPE. Tia mikarokaroka manitatra ny fahalalany ihany koa izy ary misokatra sy malala-tsaina.

Anisan’ny fialambolin-dRanjalahy Cedric ny mazia sy ny “hypnose”. Mpikambana ao amin’ny “Dynamic Magician From Madagascar” izy. “Tsy misy resaka devoly fa fikarohana sy fahaizana ary hakingana no ampiasaina amin’ireny ka tsy tokony ho sakana amin’ny fivelaran’ny tanora”, hoy hatrany i Cedric.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.