Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

DHL-SOS Villages d’enfants: roa andro ny “Forum des métiers”

DHL-SOS Villages d’enfants: roa andro ny “Forum des métiers”

Misokatra ho an’ny tanora rehetra ary maimaimpoana ny “Forum des métiers” etsy Andavamamba. Tombony ho an’ny tanora ity hetsika ity ary hahafantarany ny karazan’asa misy sy ny lalam-piofanana azo atao.

Andiany fahasivy ny “Forum des métiers 2018” hatao etsy amin’ny Live Hotel Andavamamba, hatry ny omaly ary hitohy anio tontolo. Iarahana amin’ny SOS Villages d’Enfants Madagascar sy ny DHL Madagascar ny hetsika.

Lohahevitra voizina amin’ity andiany fahasivy ity ny hoe “fampivelarana ny fahaiza-manaon’ny tanora”.  Anisan’ny mahazo tombony manokana amin’ity “Forum des métiers” ity ireo tanora ao amin’ny SOS Villages d’enfants Madagascar. Eo koa ireo tanora mpianatra eto Analamanga sy any Vakinankaratra ary any Atsinanana ary ny mpianatra ao amin’ny taona fahefatra eny amin’ny anjerimanontolo.

Ankoatra ireo ny orinasa avy amin’ny sehatra samihafa afaka misarika ny sain’ny tanora hanaraka ny lalan’asa misy ao aminy.

Anisan’ny tanjon’ny hetsika ny fanomanana sahady ny sain’ny tanora hahafantatra ny lalam-piofanana hifanaraka amin’ny asa kasainy hatao rahatrizay. Eo koa ny lalam-piofanana arakasa, tokony ho fantatry ny tanora hahafahany mijery ny hoaviny aorian’ny fianarana.

Sehatra hahafahan’ny tanora avy amin’ny kolejy sy ny lisea ary ny oniversite miserasera mivantana amin’ireo efa mpiantsehatra eny anivon’ny orinasa sy matihanina. Hahafantaran’ny tanora sahady ny zavatra miandry azy rehefa rahatrizay any amin’ny toeram-piasana sy ny dingana lalovana hahatongavana amin’ny sehatry ny asa izany.

Anisan’ny sakana ho an’ny tanora malagasy tsy hananany asa mendrika sy mahavelona ny tsy fahampian’ny fahaizana amam-pahalalana sy ny diplaoma.

Eo koa ny tsy fahampian’ny fahaiza-manao amin’izay asa hatao. Ankoatra izany ny tsy fitovian’ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny sehatry ny asa misy eto Madagasikara.

Ireo rehetra ireo koa anefa no tsy ahafahan’ny orinasa mahita tanora mahafehy ny asa sy mahomby ary mamokatra ho an’ny orinasany.

Eto Madagasikara, manao asa marefo ny 83,8%-n’ny tanora. 1/3-n’ny tanora miasa ihany no manao fifanarahana ara-dalàna amin’ny orinasa iasany, raha ny tatitra tamin’ny taona 2015.

Fanamby lehibe, araka izany, ny fampidirana ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa ara-dalàna sy mahavelona. Voakasik’izany indrindra ireo tanora tsy manana diplaoma, mila ampitomboina ny fahaizana ananany hahafahany miantsehatra amin’ny asa tena izy.

Go Teach Madagascar

Efa hatramin’ny taona 2009 ny fiaraha-miasan’ny DHL International Madagascar sy ny SOS Villages d’enfants. Tanjona ny nametraka fandaharanasa “Go Teach Madagascar” hanohanana ireo tanoran’ny SOS Villages d’enfants hiditra amin’ny sehatry ny asa. Aseho ireo tanora ireo ny karazan’asa ao amin’ny DHL Madagascar. Misy miahy manokana ireo tanora ary mampahafantatra azy ny sehatr’asa misy sy mampianatra azy momba izany asa izany.

Mitovy ny fijerin’ny roa tonta satria samy mikendry ny fampivoarana toekarena sy sosialy amin’ny fanohanana ireo tanora hahafahany manangana ny hoaviny.

Amin’izao fotoana izao, efa miparitaka amin’ny firenena 40 ny fandaharanasa “Go Teach”. Maro ny hetsika hatao hampahomby izany fandaharanasa izany ary anisan’izany ny “Forum des métiers”.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.