Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

BNI – CCIA Antananarivo: mifanaraka hanampy ny orinasa madinika

BNI – CCIA Antananarivo: mifanaraka hanampy ny orinasa madinika

Mifanaraka ny BNI sy ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo. Vita, omaly, ny sonia fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta tao amin’ny CCIA, hanosehana ny orinasa madinika sy salantsalany (PME), mpikambana ao amin’ny CCIA eto Analamanga. Samy manana ny andraikiny fa mifameno ny roa tonta eo amin’izay fiaraha-miasa izay. Fa takina voalohany aloha ny fidirana ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna.

Anjaran’ny CCIA ny manoro hevitra momba ny lalàna tsara ho fantatry ny mpandraharaha, manitsy na manampy amin’ny tetikasa aroson’izy ireo. “Ao ireo PME, mihevitra famatsiam-bola avy hatrany nefa tsy manana vina mazava. Noho izany, ilaina izay fanamarinana ara-panjakana ny asa atao izay ; fantarina ny fomba fitantanana ary indrindra, manana vina mazava izay vao mihevitra famatsiam-bola”, hoy Rakotomalala Lantosoa, mpiandraikitra ny tambajotra PME ao amin’ny BNI. Heverina ho 1 200 ireo orinasa hahazo fanohanana, tsy voatery ho famatsiam-bola ihany, mialoha ny taona 2020.

Fanabeazana momba ny fitantanam-bola

Tafiditra ao amin’ireo dingana arahina ireo ny fanabeazana momba ny fitantanam-bola, ho fahazai-mitantana. Matetika eo ny ahitana lesoka amin’ny orinasa malagasy, porofon’izany ireny orinasam-panjakana matiantoka na lasan’ny vahiny. Tombony iray hampahalalana ireo orinasa ireo ny tsenam-barotra. Raha ho an’ireo efa am-perinasa, tsara ho fantatra ny vola mihodina ao aminy, ny tombombarotra azony ; ho an’ireo izay vao hanomboka, tsy maintsy manana tetikasa mazava, araka ny drafitrasa napetrany. Ao amin’ny BNI, misy ny “Boite à outils” ho an’ny PME, ahitana karazana modely ho an’ny fandraharahana, fitantanam-bola, sns.

Manamora sy mampirisika ny tanora ho amin’ny fandraharahana, hanangana orinasa, mba tsy ny vahiny hatrany ny tompon’ny sehatra rehetra ka lasa mivadika zavatra hafa sy miteraka korontana sosialy sy politika. Tsy mankahala vahiny akory fa miditra amin’ny fifaninanana.  Manampy azy ireo ireo tolotra isan-karazany ao amin’ny BNI ho an’ny mpandraharaha, ny mpanondrana na ny mpanafatra entana.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.