Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ben’ny Tanànan’Imerintsiatosika: « Tsy azo ahemotra ny fifidianana… »

Ben’ny Tanànan’Imerintsiatosika: « Tsy azo ahemotra ny fifidianana… »

Sambany naneho hevitra politika ary mitsipaka marindrano ireo kandidà sasany. “Tsy azo ekena ny fanemorana ny fifidianana. Zary atao kilalao ny fiainam-bahoaka maro anisa sy ny fiainam-pirenena. Mora amin’ny sasany ny miteny fanemorana fifidianana nefa efa volabe ny nikarakarana izany. Notakin’ny maro anisa ny hanaovana izany ary efa tapitra ny dimy taona fe-potoam-piasan’ny mpitondra”, hoy ny ben’ny Tanànan’Imerintsiatosika, Andriambolanarivo Parso. Nambaran’ity mpanorina ny Tanàna mijoro ity fa tsy manohana kandidà izy ireo, araka ny fotokevitry ny fikambanana misy azy. Tsy hanome lesona koa anefa, saingy naneho hevitra manoloana ny fifidianana. Nanteriny fa lasa misy olom-bitsy te hifehy ny resaka politika eto nefa tsy mahasolo vahoaka akory, indrindra fa ireo kandidà sasany ireo.

Nisy lesoka hatrany ny lisi-pifidianana

Nitondrany ny heviny koa anefa ny momba ny olan’ny lisi-pifidianana. Niaiky ny tenany fa nahitana lesoka sy olana hatrany izany teto amin’ny firenena. Na eo anivon’ny kaominina tantaniny aza. “Ilaina anefa ny fanatsarana izany hatrany. Tsy taitra ny ankamaroan’ny olona fa sahirana amin’ny fitadiavana… Tsy mavitrika. Ny tokony hatao, mila fiomanana ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Adidy sy andraikitr’ireo kandidà ny manentana ny mpanaraka azy hijery lisi-pifidianana sy hanamarina ny anarana eny anivon’ny fokontany. Tsy tokony hiandrasana ny Ceni izany”, hoy ihany ity ben’ny Tanàna, tanora indrindra, ity.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.