Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Aretina kitrotro: fito ny zaza tsaboina eny amin’ny hopitaly

Aretina kitrotro: fito ny zaza tsaboina eny amin’ny hopitaly

800 ny ankizy voan’ny kitrotro, sivy volana ka hatramin’ny 14 taona, voatily tao anatin’ny distrika efatra : Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano sy Atsimondrano ary Ambohidratrimo, nanomboka ny volana septambra ka hatramin’izao, araka ny fanazavan’ny talen’ny fiadidiana ny fanaovam-baksiny, Ramamonjisoa Bodo, omaly teny Ambohidahy. 40 no nahitana fahasarotana tamin’ireo ka fito ny zaza mbola eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao ary efa manaraka fitsaboana. Tsy nisy ny aina nafoy satria nahazo ny fitsaboana sahaza ara-potoana izy ireo na teo aza ny fahasarotana. Noho izany tranga izany, hitohy amin’ny herinandro ambony ny fanaovam-baksiny hiarovana manokana amin’ny aretina kitrotro. Manomboka ny alarobia 31 oktobra ary hitohy ny 1 sy 2 novambra izany hetsika izany manerana ny Nosy eny amin’ny tobim-pahasalamana sy ny « site de vaccination » ny amin’ny fokontany. Natokana ho an’ny zaza sivy volana ka hatramin’ny 59 volana ny vaksiny miaro amin’ny aretina kitrotro. Tsy azo atao vaksiny intsony ny zaza efa voan’ny aretina kitrotro, ireo efa nahavita vaksiny teo aloha kosa, mbola afaka mamerina amin’ity fanaovam-baksiny faobe ity.

Ho an’ny mpikarakara zaza rehetra, tokony hitondra ny zaza atao vaksiny avokoa izy ireo ary mila zahan’ny mpitsabo ny ankizy tsy salama hamantarana na aretina kitrotro na tsia. Nangataka ny hanaovana vaksiny ny ankizy mpianatra ny mpitantana ny Lycée français eny Ambatobe, omaly. 40 teo ho eo ny namaly ny antso. Manentana ny ray aman-dreny, noho izany, hitondra ny zaza hatao vaksiny amin’ny alarobia, ny zoma sy ny asabotsy.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.