Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

ADMC-Craam: hisy fiofanana momba ny « scénographie »

ADMC-Craam: hisy fiofanana momba ny « scénographie »

Misokatra, hatramin’ny 31 oktobra izao, ny fiofanana mikasika ny « scénographie » na ny fahaiza-mandamina ny mandritra ireo zavatra tokony ho hita eny an-tsehatra, miaraka amin’ny haingo samihafa. Fiofanana hotanterahina ny 15 sy 16 novambra izao, eny amin’ny ADMC-Craam eny Ankatso.

Hiandraikitra ireo mpiofana sy hizara ny traikefany amin’izany ny talen’ny Alliance française any Mahajanga, i Sabien Tassin-Marrié. Mikarakara ity fiofanana ity kosa ny ADMC-Craam. Raha tsiahivina, tafiditra indrindra ao anatin’ny tetkasany antsoina hoe « M’KoloSaina 2.0 » ity hetsika ity.

Tanjon’izany tetikasa izany ny haha matihanina ireo sehatr’asa samihafa mifamatotra sy mifandray amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina. Marobe ireo sehatra asa ireo ary amin’ny ankapobeny, tsy misy eto amintsika ny sekoly manokana manofana tanora ho matihanina amin’izany.

Araka izany, azo lazaina ho tombony lehibe ny fanatrehana ity fiofanana ity, indrindra ho an’ireo liana amin’ny tontolon’ny fandrindrana sy ny fanaingoana ny eny an-tsehatra. Sehatra asa maromaro no efa nanaovan’ny ADMC-Craam hetsika fampahafantarana arahina atrikasa. Afa-po ireo rehetra nanatrika izany.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.