Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

20 tapitrisa Ar ny efa azony: mpisoloky ho dokotera, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

20 tapitrisa Ar ny efa azony: mpisoloky ho dokotera, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Ambivitra ny tsy nahafaty ity lehilahy iray tratra nisoloky ho mpitsabo, ary efa nahazo hatramin’ny 20 tapitrisa Ar tamin’izany hafetsen-dratsiny izany. Efa vonona hanao fitsaram-bahoaka azy ireo voasoloky, saingy nanaiky nifandamina tamin’ny zandary ihany. Tao Vohitralagna, Mananara Avaratra, ny nisehoan’ity tranga ity, afakomaly.

Mitady hiitatra tahaka ny sima misioka ity resaka fitsaram-bahoka ity. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka tany Vohitralagnana, kaominina Imorona, Mananara Avaratra, ny alarobia lasa teo ihany koa tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro, ny lehilahy iray nisandoka ho dokotera. Voalaza fa efa elaela izy io ny nanao io asana dokotera tsy ara-dalàna io, ary efa nahazoany vola hatramin’ny 20 tapitrisa Ar tamin’ny mponina any an-toerana.

Fantatry ny olona ny fisolokiana nataon’ity lehilahy ity ka nifampitarika ireo ny hitaky ny volany.

Nosamborin’ny olona izy io, noho izany, io alarobia io. Noteren’ny olona hamerim-bola izy, raha tsy izany, hiharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany. Efa saika niafara tamin’izay, saingy niditra an-tsehatra ny zandary nandamina ny raharaha. Nandresy lahatra ireo olona marobe saika hanao fitsaram-bahoaka ny zandary. Nanaiky ihany ireo efa nentin’ny hatezerana ka nanolotra ilay dokoetra sandoka ny mpitandro filaminana. Notanana avy hatrany izy io, ary nanaovana famotorana. Niverina amin’ny laoniny ihany ny filaminana any an-toerana.

Mitady tsy ho voafehy

Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mitady tsy ho voafehy ary miitatra any amin’ireo faritra ity resaka fitsaram-bahoaka ity. Efa nangingina ny resaka teo aloha teo, kanjo niverina tampoka. Toy ny nifamotoana tao anatin’ity herinandro ity avokoa ny resaka fitsaram-bahoaka toy ny tany Fenoarivo Atsinanana sy tany Andapa, ny tany Vavatenina, ary ity tany Mananara Avaratra ity. Any amin’ireo toerana mamokatra sy ve vola avokoa ireo. Maromaro ny tranga efa niseho tany amin’ireo faritra ireo, indrindra amin’ny resaka lavanila sy jirofo.

Ahina hitarika zavatra hafa amin’izao fifidianana ho avy izao ny raharaha toy itony raha tsy voafehy. Mahasahy mihantsy mpitandro filaminana mihitsy ireo andian’olona ireo.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.