Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Trafika sokatra miisa 10 072: migadra 6 taona ireo telo voampanga

Trafika sokatra miisa 10 072: migadra 6 taona ireo telo voampanga

Afa-po tamin’ny didim-pitsarana migadra enin-taona avyhoan’ireo voampanga nanao trafika sokatra miisa 10 072 tany Toliara ny WWF, ny Durrell ary ny TSA. Andrasana ny an’ny hafa, sy ny fandraisana fepetra hentitra any ifotony, hamongorana ity fanapotehana zavaboahary ity.

Nivoaka ny didim-pitsarana mikasika ireo sokatra miisa 10 072 tratra tany Toliara, ny volana avrily farany teo. Naiditra am-ponja, sazy mihatra, mandritra ny enin-taona, ireo olona telo tratra (ny tompon-trano sy ny mpiambina roa), miampy fandoavana lamandry mitentina 100 tapitrisa Ar, miampy lamandy mitentina 30 tapitrisa Ar ho an’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Ala.

Anisan’ny sazy henjana indrindra nampiharina teto Madagasikara ity nivoaka ity. Raha ny fantatra farany, nigadra roa taona ireo voampanga tamin’ny fitsarana taty Antananarivo, ny taona 2017.

Nankasitraka ny minisiteran’ny Fitsarana ny fikambanana iraisam-pirenena miaro ny tontolo iainana, ny WWF, ny Durrell ary ny TSA amin’ity didim-pitsarana ity, mba ho anisan’ny sazy famaizana ho anatra ho an’ny hafa. Mankahery ny mpiaro ny tontolo iainana, ny mpitandro filaminana, ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny ala (Dreef) Atsimo Andrefana ihany koa amin’ny ezaka ataony hiadiana amin’ny trafika sokatra. Ho azy ireo, tsara tohizana ny ezaka toy izao, ary tsy amelana ireo mpanao heloka na izay mitady ny hanao. Vonona hanohana sy hiara-kiasa hatrany ireo fikambanana telo ireo, hiarovana ny sokatra eto Madagasikara.

Njaka A. sy CMS

Les commentaires sont fermées.