Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

 … Raikitra vao toran-kovitra

 … Raikitra vao toran-kovitra

 Mitranga mihemotra toy ny lelon-jaza ireo kandidà sasany manoloana ny fifidianana ho filoham-pirenena. Raikitra vao toran-kovitra ka mitady amin’ny fomba rehetra hampikatsoana ny firenena anaty kizo. Matoa nanaiky hiditra ao anaty kianja, vonona ny hilalao izay. Tsy izay anefa ny zava-misy fa mila vaniny ireo kandidà 26 namory vahoaka tetsy amin’ny CCI mikatsaka Tetezamita vaovao. Sanatria! Tsy hanaiky izany ny vahoaka. Mbola nofy ratsy ho an’ny vahoaka ny fitondrana Tetezamita nahaverezana asa sy nampikororosy fahana ny firenena toy izao. Tany am-piandohana, nanaiky ny fitsipi-dalanao izy ireo. Nahafantatra tsara ny lentan’ireo mpifaninana aminy. Izao anefa, matahotra sy mihorohoro ka manambatra hery sy mikononkonona handrendrika ny firenena indray. Tsy ireo manana 50 tapitrisa Ar no handidy ny fiainam-pirenena sy ny hoavin’i Madagasikara fa ny vahoaka efa mangetaheta fanovana. Tsy mila korontana intsony fa mila atao ny fifidianana hivoahana amin’ny krizy. Lisi-pifidianana izay tsy mety ho tanteraka zato isan-jato mandrakizay no mody hilana vaniny hakana ny fo sy sain’ny olom-pirenena sy hampanekena azy hiroso amin’ny Tetezamita. Ireo kandidà tsy manam-bola, tsy fantatr’olona no mitetika korontana eto amin’ny firenena. Endriky ny fomba fisain’ny Malagasy ory hava-manana ny asehon’ireto kandidà mitambatra hampikatso ny fiainam-pirenena ireto.

Hatreto, tsy mahavita mijoro tsara ny Ceni. Tsy maharesy lahatra ny mpanara-baovao ny foto-kevitra sy ny fandresen-dahatra ary indrindra, ny fitavozavozana. Tsy atokisan’ny olona ity vaomiera ity amin’izao fotoana izao. Marefo ny Ceni manoloana ny kandidà be tsy andraofana. Etsy andaniny, miaina anatin’ny tany anjakan’ny tsy fandriampahalemana ny vahoaka malagasy. Ireo kandidà, mifandroritra sy manao propagandy; ny dahalo sy ny fitsaram-bahoaka ary ny halatra sokatra, manao ny hataony. Tsy manana hiantsapazana ny vahoaka tsimandadiharona. Ny andavanandrom-piainany no mampiasa ny lohany.

Randria

Les commentaires sont fermées.