Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raikitra ny fifidianana: nanome vola i Frantsa sy i Norvezy

Raikitra ny fifidianana: nanome vola i Frantsa sy i Norvezy

Tsy mihemotra. Mitohy ny fanampiana sy fanohanana antsika amin’ny firosoana amin’ny fifidianana. Nitondra ny anjara birikiny sady fanampiany ho amin’ny efa nomeny ny fitondrana frantsay, omaly. Mitentina 100 000 dolara izany raha 500 000 euros kosa avy amin’ny governemanta Norvezianina. Harotsaka ao amin’ilay tahiry fanohanana ny fifidianana (Sacem) iarahan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izany. Efa nialohavan’ny fanohanana sy fanampiana avy amin’ireo firenen-dehibe hafa, toa an’i Etazonia, ny Japoney sy ny eo anivon’ny Vondrona eoropeanina izany. Teo ny lafiny vola fa misy koa ireo nanolotra ho amin’ny fampitaovana. Notanterahina teny amin’ny foiben-toeran’ny Ceni Alarobia ny fanaovan-tsonia izany.

Midika ireo fa tsy mihemotra, araka ny fitakiana, na fivoizin’ny sasany azy, na koa tonga hatrany amin’ny famendrofendroana  ny vahoaka ny fifidianana. Mazava rahateo ny hafatry ny solontenan’ny Pnud eto amintsika, i Violette Kakyomya teny Andraharo, afakomaly fa “Tokony hatao anaty fitoniana sy fanajana ireo andrimpanjakana ary ny lalàna ny fifidianana”, hoy izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.