Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nogiazana ny fitahirizan’entana: kaonteneran’ny Imex miisa 12 mihitsoka

Nogiazana ny fitahirizan’entana: kaonteneran’ny Imex miisa 12 mihitsoka

Mitaraina ny tompon’andraikitry ny orinasa mpanafatra sy mpanondrana entana any ivelany, Imex, fa tsy mazava ny fepetra noraisin’ny sampandraharahan’ny ladoany ho azy ireo. Namory ny mpanjifany maherin’ny 200 ity orinasa ity, omaly tetsy Antanimena, nanazava ny zava-misy. Nogiazan’ny fadin-tseranana ny toerana sy trano fitahirizan’entana an’ny Imex eny Tanjombato, nanomboka ny 12 septambra 2018 teo. Nambaran-dRtoa Rajaonarivelo Claudine, mpitantana ity orinasa ity, fa “tsy nahazo fanazavana ny antony izy ireo, sady mbola any amin’ny ladoany rahateo ny antontan-taratasy (déclaration) milaza ny mombamomba ny entana. Efa nanao fitsirihana voalohany ny ladoany Antanimena, ary tsy nahita na nahatsikaritra tsy fahatomombanana.

Misy entana mora simba

Entana avy any Sina sy avy any Azia ny ankamaroan’ireo mihitsoka ao amin’ny fitahirizan’entana sy anaty kaontenera miisa 12 an’ny Imex ireo. Maherin’ny 200 ny mpanjifany tompon’entana ary tokony hotsinjaraina any amin’ny mpivarotra mpaninjara manodidina ny 1 000. nambaran-dRtoa Rajaonarivelo Claudine fa misy saropady sy ahina ho potika ny sasany amin’ireo entana ireo, toy ny kojakoja ilaina amin’ny vatana sy ny tarehy, ny fonosana plastika, sns.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.