Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Foibe FJKM: hetsika « Haona Fi » andiany voalohany

Foibe FJKM: hetsika « Haona Fi » andiany voalohany

Sady fitoriana ny Filazantsara no fijoroana vavolombelona ny hetsika lehibe karakarain’ny Foibe FJKM, eny amin’ny Village Voara, Andohatapenaka, haharitra hateloana, ny 1 hatramin’ny 3 novambra izao. Araka ilay teny fanevan’ny FJKM izany hoe « koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (2 Timoty 1.8a). « Haona Fi », izay ny anaran’ity hetsika lehibe ity. Hi-« Haona » ho fijoroana vavolombelona, fitoriana ny Filazantsara. Ho fiombonana sy fifankatiavana.

Tranoheva hatrany amin’ny 200 ny fantatra fa hajoro eny, hahitana ireo fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, fahasalamana, fitaovam-pianaran’ny mpianatra, informatika, fitafiana, kiraro,voninkazo, indrindra ny sakafo sy ny kojakoja fampiasa an-dakozia… Eo koa ny momba ny fitsaboana, fitiliana, …

Ankoatra ireo, hisy ny sehatra, hanaovana fifaninanana Soratra Masina sy fahalalana ankapobeny, fiaraha-mihira, fialamboly samihafa, indrindra ny fiaraha-misakafo.

Araka izany, tsy ho an’ny zanaky ny FJKM irery ihany fa natokana sy hanasana ny besinimaro ity hetsika “Haona Fi”, andiany voalohany, ity.

M.R.

Les commentaires sont fermées.