Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety N1A: ekipa 16 hiatrika ny ampahefa-dalana

Basikety N1A: ekipa 16 hiatrika ny ampahefa-dalana

Mifanome fotoana eny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina indray, anio, ireo ekipa 16 tafakatra hiatrika ny lalao ampahefa-dalana amin’ny fifaninanam-pirenena N1A lahy sy vavy, taranaja basikety, rehefa avy niala sasatra kely omaly.

Ekipa kalaza avokoa ireo voafantina nandritra ny lalao fifanintsanana dingana faharoa ireo. Ho amin’ny anio, hisantatra ny fifanandrinana ny ekipa vehivavy, ny SBBC Boeny izay hifanandrina amin’ny ASA Analamanga, ao amin’ny efitrano kely etsy Mahamasina. Hifanindry an-dalana amin’izay ny lalao eo amin’ny ekipan’ny Fandrefiala Analamanga sy ny Tamifa Amoron’i Mania, sokajy vehivavy ihany, hatao ao amin’ny efitrano lehibe. Hifandimby hiakatra an-kianja ny ekipa tsirairay lahy sy vavy, aorian’izay, ka ho tafita amin’ny dingana manasa-dalana, hotanterahina rahampitso asabotsy ireo mivoaka mpandresy rehetra.

Marihina fa nasiana vidim-pidirana amin’izay ny fijerevana ny lalao, manomboka amin’izao ampahefa-dalana izao ho fanohanana ny ekipa mpandray anjara.

Mi.Raz

Fandaharan-dalao, anio zoma 26 oktobra

Efitrano kely:
09 ora maraina- V: SBBC boeny # ASA Analamanga
10 ora 45 min- V: MB2All Analamanga # BCEst Atsimo Andrefana

Efitrano lehibe:
09 ora maraina-V: Fandrefiala Analamanga # Tamifa Amoron’i Mania
10 ora 45 min-V: Ascut Atsinanana # JEA Vakinakaratra
12 ora 30 min-L: CosPN Analamanga # Sebam Boeny
2 ora 15 min-L: Cosfa Analamanga # Cosmos Diana
4 ora hariva-L: GNBC Vakinakaratra # ASCB Boeny
5 ora 45 min: L: Ascut Atsinanana # MB2All Analamanga

Les commentaires sont fermées.