Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankorahotra: olona narary noho sakafo lany daty

Ankorahotra: olona narary noho sakafo lany daty

Hiakara fitsarana, ny alatsinainy izao, ny raharaha fitoriana trano tailandey fisakafoana iray eny Ankorahotra. Ny polisy izay miandraikitra iny boriborintany iny no nametraka ny fitoriana ny alahady lasa teo. Araka ny fitantaran’ny mpitory, nisy ranomboankazo  efa lany daty nomen’ilay toeram-pisakafoana. Rehefa nisotro izay vao nahatsikaritra fa misy tsiro hafahafa ilay rano fanalana hetaheta ity farany. Nangataka fanazavana amin’ny tompon’ny hotely ireto mpisakafo. Tsy nanaiky ny hihaona amin’izy ireo ity farany, raha ny fitarainan’ilay fianakaviana hatrany. Nahatsapa ireo fianakaviana fa tsy mba nisy fanajana mihitsy satria valy boraingina hatrany sady miendrika fanambaniana ny valin’izay rehetra nanontaniana tamin’ny ramatoa solon’ny tompon’andraikitra voalohany.

Tsy nanaiky hatramin’ny farany ireo fianakaviana narary koa ny roa amin’izy ireo ny alin’iny. Ny iray, tsy maintsy nentina teny amin’ny Clinique rehefa nandoa tsy an-kijanona. Ny faharoa kosa, tsy maintsy naiditra hopitaly ary nahazo taratasy fanamarinana fa voapoizina. Nivoaka zavatra nibontsimbontsina ny tenany iray manontolo. Nipetraka ny fitoriana noho ny fandrahonana, ny fivarotana entana lany daty ary ny fampiasana hosoka.

Omaly, nisy ny fanadihadiana ny roa tonta, ka amin’ny alatsinainy izao no hiakatra eny amin’ny fitsarana ny raharaha.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.