Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

44,90% ny taham-pahafahana nasionaly: 82 979 ny mpiadina afaka bakalorea

44,90% ny taham-pahafahana nasionaly: 82 979 ny mpiadina afaka bakalorea

Efa miroso amin’ny fanomanana ny fidirana amin’ny fampianarana ambony na koa ny sehatry ny asa ny mpiadina nahazo mari-pahaizana bakalorea farany teo.

Nahatratra 82 979 ny mpiadina afaka tamin’ny fanadinana izay manome taha 44,90% ho an’ny faritany enina. Nahitana fisondrotana 3% mahery kely ny taham-pahafahana satria tamin’ny taon-dasa, 41,13 % izany, araka ny fanazavan’ny talen’ny fampianarana ambony miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, Razafimahatratra Dieudonné, omaly teny Fiadanana. Ho an’ny fampianarana ankapobeny, 44,43% ny taham-pahafahana ka mpiadina 78 025 ny nahazo ny maripahaizana bakalorea. Betsaka afaka indrindra ny sokajy A1 nahatratra 50,35%, manaraka ny sokajy D izay 49,08%. Ho an’ny sokajy A2, 42,56% ny taha ary farany ny sokajy C, 39,02% manerana ny Nosy. Ho an’ny sampana teknika, 53,94% ny taham-pahafahana ahitana mpiadina 4 954.

Tsy tokony hiakatra amin’ny renivohi-paritany

Efa vonona ny oniversitem-panjakana handray ny mpiadina maniry hanohy amin’ny fampianarana ambony. Ho an’Antananarivo, manodidina ny 10 000 ny fahafahana mandray taona voalohany amin’ny sekoly ambony sy ny fakiolte samihafa misy. Nanao ezaka koa ny minisiteran’ny Fampianarana ambony nanorina oniversitem-paritra ary mitovy lenta amin’ny oniversite mahazatra ny fampianarana sy ny mari-pahaizana omena ny mpianatra aorian’ny fiofanana. Tsy tokony handany andro hiakatra aty amin’ny renivohi-paritany intsony ny mpianatra fa afaka misafidy ny hanohy fampianarana amin’ny onivesitem-paritra akaiky azy. Antsirabe, i Mandritrsara, i Fandriana, Antsohihy, i Soavinandriana… efa ahitana izany avokoa. Ho an’ireo nisafidy ny sekoly ambony tsy miankina kosa, ny ivontoeram-pampianarana nahazo « habilitation » ihany no afaka mandray mpianatra ka tokony hamantatra ireo sekoly ambony ireo aloha ny ray aman-dreny sy ny mpianatra sao ho voafitaka. Hifarana anio eny amin’ny Esplanade Ankatso ny fampahafantarana ny andiany fahadimy amin’ny lalam-piofanana rehetra misy amin’ireo sekoly ambony sy fakiolte ao anatin’ny oniversiten’Antananarivo.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.