Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tontolon’ny fampianarana ambony: hanohana an-dRajelina ny mpampianatry ny oniversite

Tontolon’ny fampianarana ambony: hanohana an-dRajelina ny mpampianatry ny oniversite

Ireo manampahaizana sy avara-pianarana indray. Nanao fanambarana iombonana ireo eo anivon’ny Fivondronan’ny mpampianatra sy mpikaroka eny amin’ny oniversite ho an’ny fanovana. “Mankasitraka tanteraka ny firotsahan’ny kandidà Rajoelina hofidina filoham-pirenena izahay noho ny fahaizany sy ny traikefany amin’ny fitantanana ny firenena”, hoy izy ireo, ny 16 oktobra teo. Nanterin’izy ireo fa manana fahavononana feno hanavotra sy hampandroso an’i Madagasikara ny mpanorina ny IEM. “Hany tokana amin’ireo kandidà 36 afaka hanavotra ny firenena izy amin’izao fahantrana lalina lalovan’ny vahoaka malagasy izao. Manohana tsy misy fepetra ary hampandany azy izahay”, hoy ihany ireto mpampianatra sy mpikaroka eny amin’ny oniversite ireto.

Miantso ny mpianatra rehetra…

Notsiahivin’izy ireo tamin’izany koa ny lohatenin’ny boky nosoratan’ny kandidà laharana faha-13, “Ho fitiavana ny tanindrazana”, miantso ireo mpianatry ny oniversite tsy an-kanavaka sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra rehetra koa izahay hifidy sy hampandany ny kandidà Rajoelina”, hoy izy ireo. Tsiahivina fa anisan’ny nanohana sy niara-dalana tamin’ny hetsiky ny depiote ho an’ny fanovana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey izy ireo.

Randria

 

Les commentaires sont fermées.