Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Pr Rafatro Herintsoa: “Aretina avy any ivelany no mamono ny biby eto amintsika”

Pr Rafatro Herintsoa: “Aretina avy any ivelany no mamono ny biby eto amintsika”

Andiany telo nampahafantarina, omaly, teny amin’ny sekoly sampam-pianarana fitsaboana biby, eny Ambatobe. Andiany “Volavita”, “Soimanga”, ary “Lemasao”. Saika eo amin’ny taona fahadimy izy ireo fa hiditra amin’ny famitana ny taom-pianarana farany.

Betsaka ny ezaka vitan’ny sekoly tao anatin’ny dimy taona nitantan’ny Pr Rafatro Herintsoa azy. Zava-dehibe iray, ny fisokafan’ny toeram-pitsaboana biby, vokatry ny fiaraha-miasan’ny sekoly sy ny holafitry ny veterinera eto Madagasikara. Raisina ara-teknika izy io, anio, ho tokanana tsy ho ela. Afaka mitondra ny bibiny ho tsaboina ao avokoa ny rehetra. Nomarihin’ny Pr Rafatro ihany fa “ny aretina avy any ivelany no mamely ny fiompiana eto amintsika, toy ny charbon mamono ny omby; ny pesta mahafaty ny kisoa sy ny akoho ; ny varroise mandripaka ny tantely”. Eo ireo veterinera afaka manoro hevitra sy manampy, misy ny vaksiny sy ny fanafody isan-karazany.

 “Mbola tsy ampy ny dokotera veterinera eto amintsika, raha dokotera iray tokony ho an’ny biby miisa 100.000. Ny faritra Atsimo Atsinanana no tena mbola tsy ampy. Tsy miasa amin’ny fanjakana daholo ireo mpitsabo ireo fa miasa ho an’ny fanjakana”, hoy Pr Rafatro.

Tsara ho fantatra fa any ambanivohitra no miasa ny 90 % ireo mpitsabo nivoaka ato aminay, ary azo lazaina fa mbola mora ny saram-pitsaboana”, raha ny fanazavan’ny Pr Rafatro. Izany hoe, saika miasa ho an’ny tenany avokoa ny maro amin’ireo veterinera ireo. Anisan’ny toerana iasan’izy ireny koa ny laboratoara, ny toeram-pitsaboana an’ny tsy miankina izay misy efatra, na dimy eto Antananarivo, ny toeram-piompiana.

Mbola tsy ampy ny veterinera

Amin’ny ankapobeny 400 eo ho eo ny dokotera veterinera manerana ny Nosy, navoakan’io sekoly ambony io 272 hatramin’ny 2003 nanangana azy, tafiditra ao anatin’ny sampam-pianarana fitsaboana eny amin’ny oniversite. Manofana ho mpitsabo biby ny sekoly ; manara-maso ny aretina ; manao fikarohana ho an’ny fahasalamana sy ny sakafom-biby. Vita ny fotoam-pitantanan’ny Pr Rafatro ny sekoly, ka notolorana mari-pankasitrahana amin’ny anaran’ny mpampianatra sy ny mpianatra izy.

 

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.