Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Notafihin’ny dahalo 80 lahy  ny paositry ny zandary: voaroba ny bala iray kesika sy basy vitsivitsy

Notafihin’ny dahalo 80 lahy  ny paositry ny zandary: voaroba ny bala iray kesika sy basy vitsivitsy

Tsy mandry ny tany ary efa sahy mihantsy ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fanafihana tobina zandary ny dahalo . Izay ny tranga niseho tao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahaly, disitrikan’ Amboasary atsimo, ny alatsinainy 22 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Notafihin’ny dahalo ny paositry ny zandary tamin’

ity fokontany ity, tsy nisy afa-tsy zandary telo lahy tao an-toerana raha lasa nanao asa hafa ny efatra tamin’ ireo miisa fito miasa amin’ ity paositra ity.

Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana, dahalo miisa 80 lahy nirongo fiadiana nandravarava ity paositry zandary tao Mahaly ity. Tratran’ny be no ho ny vitsy, noho izany, ireo telo lahy sisa niandry toby ka voatery tsy maintsy nandositra. Vokany, voaroban ireo dahalo avokoa ny bala iray kesika, Mas 36 iray, basim-borona nongiazana sy ny entana  maro an’ireo zandary.  Navoakan’ izy ireo ihany koa ny dahalo valo lahy voatazona tao amin’ny “violon”. Foana tanteraka tsy nisy azo raisina ny paositry ny zandary tao  amin’ny kaominina ambanivohitra Mahaly, izay 85 kilometatra avy amin’ny renivohitr’ i Disitrika Amboasary Atsimo.

Dahalo niova fo teo aloha

Raha ny loharanombaovao avy any an-toerana hatrany, ireo vondron’ny dahalo niova fo tarihin-dRekamainty olona akaiky an’ i Remenambila ity nitarika ny namany nandroba tao amin’ny tobin’ny zandary ity. Noho ireo namany valo lahy izay voasambotra ka mbola nohazonina tao.

Nohamafisin’ ny loharanom-baovao hatrany fa nihazo ny faritra misy ny fieren-dRemenambila ireto andian-dahalo ireto. Ankilany kosa, tsy niandry ela fa efa tonga any an-toerana ny zandary anivon’ny  sampan manokana hiady amin’ny dahalo ary efa am-perinasa tanteraka manao ny fanarahan-dia sy savahao anaty ala rehetra eny.

Sajo sy Yves S.

Les commentaires sont fermées.