Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpahay lalàna sady mpitsara, Imbiky Herilaza: “Tsy maintsy misy filoham-pirenena mianiana ny janoary 2018”

Mpahay lalàna sady mpitsara, Imbiky Herilaza: “Tsy maintsy misy filoham-pirenena mianiana ny janoary 2018”

Nivahiny  tao amin’ny fandaharana “Ambarao”, eo anivon’ny radio  Alliance 92 FM, omaly, ny mpahay  lalàna, Imbiky Herilaza. Nitondrany fanazavana ny resaka lalàna  sy ny  fiatrehana ny fifidianana.

Valin-kafatra  ho an’ireo kandidà 25. “Efa tafiditra anaty  fampielezan-kevitra isika  izao ary akaiky ny fotoana vao mametraka  izany fitakiana  samihafa izany .  Tsy vita anatin’ny fotoana  fohy  ny lisi-pifidianana haverina any amin’ny  fokontany, 1 6000. Hosoratana ny tsy voasoratra,  esorina ny  tsy tokony  ho ao, toy ny efa maty, na voasoratra indroa. Amin’ny 26 janoary 2016 anefa, tsy maintsy efa misy filoha vaovao mahavita fianianana  eto”, hoy  izy. Notsiahiviny fa  nanana andraikitra nahafahana  nikarakarana  lisi-pifidianana ireo nirotsaka hofidina ireo tao anatin’ny fotoana maro, saingy  niandrasan’izy ireo neken’ny HCC ny firotsahany vao nanao fitakiana. Afaka manara-maso hatrany ny  lisi-pifidianana amin’ny maha antoko politika azy, sy ny maha olom-pirenena,  na  koa maha mpanao politika azy isan-taona  anefa  izy ireo,  araka ny nambarany.

Azo hanaovana fifidianana ny lisi-pifidianana

Etsy andaniny, nitondrany  fanazavana ny momba ny tranga  tsy azo anoharana  (cas de force majeur)  kasain’ny sasany ho antony hanemorana ny fifidianana  noho  ny lesoka amin’ny birao fandatsaham-bato,  na koa ny tsy  fahatomombanan’ny lisi-pifidianana. “Voalazan’ny lalàna  fa azon’ny  HCC atao ny manemotra ny fifidianana raha misy ny  fahafatesan’ny kandidà.  Faritan’ny governemanta kosa  avy eo ny datim-pifidianana”, hoy ihany ity mpahay lalàna ity.  Na  izany aza,  niaiky  ny  tenany  fa tsy mazava amin’ny lalàna  kosa  anefa ny  amin’ny tranga tena tsy azo ihodivirana ka ahafahan’ny  HCC mampihemotra ny fifidianana. “Efa mazava ny didin’ny HCC fa tsy mahefa amin’ny fitoriana, na fitakiana momba ny lisi-pifidianana izy ireo satria  tsy  tafiditra amin’ny  fahefana maha mpitsara, araka ny nifidianana azy  ireo  izany.  Tsy mahakasika ny  HCC”, hoy ity mpitsara ity. Notsiahiviny ny fanambaran’ny OIF,  efa manana traikefa 20  taona amin’ny  fanaraha-maso ny fifidianana  teto  amintsika fa  azo hanaovana fifidianana ny lisitra  amin’izao fotoana izao.

Mba ho fifidianana anaty fitoniana

Nohitsiny koa fa  tsy  azo hamaritana ny isan’ny vahoaka miaraka aminy ireo kandidà mitaky ny hanokafana ny lisi-pifidianana. Tsy misy  afaka hiteny izany satria tsy mbola nisy fifidianana teto ary tsy mbola  fantatra ny  isan’ny  vahoaka manohana ny kandidà tsirairay.   “Aoka ny lalàna  ihany no hampiharina, na firy izy ireo  ny mitaky izany” hoy i Imbiky Herilaza.   Namaranany ny resadresaka ny antso  avo mba  ho ao anaty fitoniana izao fifidianana izao.  Tsy tokony  hifandrangitra, na hifanaratsy.  Nentaniny  koa ny vahoaka  afaka mifidy mba hanefa ny adidiny amin’ny fifidianana fihodinana voalohany sy faharoa, ahafahan’izy ireo mahita fa ny safidiny marina amin’ny  valim-pifidianana.

Synèse  R.  

Les commentaires sont fermées.