Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fihoaram-pefy: hitory minisitra sy lehiben’ny faritra ny DFP

Fihoaram-pefy: hitory minisitra sy lehiben’ny faritra ny DFP

Tsy an-kiandriandry. “Hitory ary efa manao ny dingana rehetra izahay izao manoloana ireo mpiasam-panjakana, na ambony na ambany, tratranay nanao fampielezan-kevitra sy nampiasa fitaovam-panjakana. Ahitana minisitra sy lehiben’ny faritra ireo nihoa-pefy ireo, tany Toamasina sy tany Fianarantsoa ary teto Antananarivo”, hoy ny mpandrindra ny DFP, Ratolojanahary Maharavo na i Doudou, omaly tetsy Mahamasina. Natsidiny sahady fa hanomboka amin’ny herinandro ny fanadihadiana ireo olona ahina ho nihoa-pefy sy tsy nanara-dalàna ireo. Notsiahiviny fa niseho tao anatin’ny telo herinandro nanombohan’ny fampielezan-kevitra izany. Nohitrikitrihiny koa fa tafiditra ao anatin’izany ireo mpiasa eny anivon’ny rantsa-mangaikan’ny Ceni, manomboka eny anivon’ny fokontany, ny kaominina, ny distrika ary ny faritra.

Hambara ampahibemaso ireo tsy nanara-dalàna…

Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fandrahonana ataon’izy ireny ary mampanahy fa ho tonga amin’ny hanodinkodinan’ny sasany ny voka-pifidianana, araka ny nambarany.  “Anjatony ny fitarainana voaray ka mampitandrina izahay. Mila fanohanana sy fanampiana koa anefa ny amin’ny tokoy handefasan’ireo mahatsikaritra izany handefa ny sary sy ny porofo rehetra. Sarotra ny asanay amin’ny fanaraha-maso amin’izao fotoana izao”, hoy ihany izy. Mbola hambara sy havoakan’izy ireo ampahibemaso avokoa ireo mpiasam-panjakana ambony tsy nanara-dalàna aorian’ny fahavitan’izao fifidianana izao.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.