Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety N1A: hiditra amin’ny ampahefa-dalana

Basikety N1A: hiditra amin’ny ampahefa-dalana

Hotontosaina, rahampitso zoma 26 oktobra, ny lalao ampahefa-dalana amin’ny fifaninanam-pirenena N1A lahy sy vavy, taranja basikety, aorian’ny fialan-tsasatra, anio. Nivoaka, omaly, araka izany, ny filaharan’ireo ekipa tsirairay, arakaraka ny isa azony avy. Nisongadina tamin’izany ary mitàna ny laharana voalohany ny GNBC Vakinankaratra, eo amin’ny sokajy lehilahy. Nahazo isa mitovy aminy ihany koa ny ekipan’ny Ascut Atsinanana. Tafapetraka eo amin’ny fahatelo kosa ny Cosfa Analamanga rehefa nibata fandresena nisesisesy ka nahazo isa 17. Niady mafy ary samy nahazo ny laharana fahefatra ny ekipan’ny polisim-pirenena, ny CosPN sy ny Cosmos avy any Diana.

Ho an’ny sokajy vehivavy kosa indray, nitazona ny voalohany hatrany am-boalohany ny ekipan’ny SBBC Boeny, manana isa 14, arahin’ny MB2All Analamanga eo amin’ny laharana faharoa ary ny Fandrefiala, eo amin’ny laharana fahatelo. Mifandanja tsara ny traikefan’ireto telo voalohany ireto satria mifanetihety ny isa azon’ny tsirairay. Ho henjankenjana, araka izany, ny fifanandrinana amin’io lalao ampahefa-dalana rahampitso io, raha ho an’ny sokajy vehivavy manokana.

 

Mi.Raz

 

Ireo ekipa dimy voalohany

Lehilahy:

GNBC Vakinankaratra (19)

Ascut Atsinanana (19)

Cosfa Analamanga (19)

CosPN Analamanga (17)

Cosmos Diana (17)

 

Vehivavy :

SBBC Boeny (14)

MB2All Analamanga (13)

Fandrefiala Analamanga (13)

Ascut Atsinanana (13)

JEA Vakinankaratra (12)

Les commentaires sont fermées.