Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andron’ny firenena mikambana: voizina ny fandriampahalemana eo amin’ny tanora

Andron’ny firenena mikambana: voizina ny fandriampahalemana eo amin’ny tanora

Nanamarika ny andron’ny firenena mikambana tetsy amin’ny Pnud Andraharo ireo solontena avy amin’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana miasa eto Madagasikara, omaly. Lohahevitra novoizina ny hoe : « Tanora, mampanjaka ny fandriampahalemana ».

Tanjon’ny firenena mikambana ny hisian’ny fandriampahalemana amin’ireo firenena rehetra maneran-tany. Hatao izany amin’ireo fidirana amin’ny sehatra maro, toy ny ady amin’ny herisetra, ny fampanjakana ny miralenta,  ny ady amin’ny fahantrana, ny fampianarana sy fanabeazana, ny fahasalamana….

Kendrena ny hisian’ny fitovian-jo ary omena fanantenana hatrany hanana ho avy mamiratra ny rehetra, na ny ankizy na ny tanora; na ny lahy na ny vavy.

Mbola betsaka anefa ireo firenena anjakan’ny tsy fandriampahalemana. Rotiky ny ady sy ny fifandrafesana noho ny antony maro, toy ny fivavahana, ny tsy fitovian-kevitra, ny politika, ny fahantrana….

Voizina ao an-tsain’ny tanora izay tompon’ny ampitso sy hitantana ny firenena rahatrizay ny hananany kolontsaina tia fandriampahalemana. Miainga amin’ny fomba fiteny, ny fihetsika , ny fisainana..

Volavolaina ao an-tokantrano sahady ny ankizy ho tia fandriampahalemana ary anisan’ny fitaratra ireo ray aman-dreny. Mitohy any am-pianarana sy eny amin’ny fiarahamonina izany ary lasa toetra sy ho fiainan’ny tanora ary ampihariny ho an’ny fireneny.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.