Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatofinandrahana: avotra soa aman-tsara ireo takalonaina

Ambatofinandrahana: avotra soa aman-tsara ireo takalonaina

Tafaverina eo anivon’ny fianakaviana, omaly maraina, ilay zazalahikely efatra taona sy ny zazavavy mpitaiza azy rehefa nataon’ny dahalo takalonaina nandritra ny fanafihana fiara mitondra mpivaro-mandeha, avy namonjy tsena tao Ambatofinandrahana, ny asabotsy 20 oktobra teo. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Raha tsiahivina, lasibatry ny sakan-dalana nataon’ny dahalo tamin’ny lalam-pirenena faha-35 ny mpivarotra mitety tsena mitondra fiara, ny tolakandron’ny asabotsy 20 oktobra tamin’ny telo ora. Voalaza fa efa lasa nialoha tsy nisy voasakana ireo fiara hafa mitondra mpivarotra, saingy ny fiara iray Mercedes Fourgon fotsy no nokendren’izy ireo ny fandalovany teo Belanitra, fokontany Ivary, toerana tokony ho 10 km miala an’Ambatofinandrahana. Fantatra fa dahalo ampolony maro ny nanakana teo ka nitifitra avy hatrany ilay fiara. Norobain’ireo dahalo avokoa ny entana sy ny vola. Nalain’ireo dahalo nataony takalonaina ilay zaza sy ny mpitaiza azy. Zanaky ny mpivarotra sady tompon’ny fiara io. Niverina namonjy ny tanàna ny fiara ary niantso vonjy tamin’ireo zandary. Nanomboka avy hatrany ny fikarohana ary izao nahitam-bokany izao.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.