Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

80 ny mpandeha indray nentiny: rendrika ilay sambokely, fito maty, ankizy telo amin’ireo

80 ny mpandeha indray nentiny: rendrika ilay sambokely, fito maty, ankizy telo amin’ireo

Hita, omaly, ny razana fahefatra, tafakatra fito ireo olona maty, 33 ireo avotra soa aman-tsara vokatry ny fivadihan’ny sambokely mpitatitra olona, antsoina hoe “Anjara”, mampitohy an’i Marovoay sy i Manaratsandry teo amin’ny reniranon’i Betsiboka, afakomaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Olona 40 ihany ny zakan’ity sambokely ity kanefa nihoatra no ho izany no nentiny tamin’io fotoana io.

Tamin’io afakomaly io, avotra soa aman-tsara ny 29 amin’ireo mpandeha, namoy ny ainy ny vehivavy roa, ary tsy mbola mahatsiaro tena ao amin’ny hopitalin’i Marovoay ny telo.

Raha ny vaovao azo, nihoatra lavitra amin’ny tokony ho izy ny mpandeha nentin’ity sambokely ity. Tsy fantatry ny mpanamory akory ny isan’ny olona entiny, ary tsy misy ny mpanara-maso. Tsy nisy ny fanaovana “gillet de sauvetage”. Mbola manohy ny fikarohana ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana any an-toerana. Fantatra fa mponina avy any Antanimasaka, avy any Manaratsandry, avy any Ankaraobato sy ny manodidina ny ankamaroan’ireo mpandeha tamin’ity sambokely Anjara ity. Misokatra kosa ny fanadihadiana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.