Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Salon de l’étudiant »: hahazo tombony ireo mpianatra any Toamasina

Tanterahina any Toamasina, ao amin’ny Tranovato FJKM Anjoma, ny zoma sy asabotsy izao, ny « Salon de l’étudiant » karakarain’ny Madajeune, tarihin’ny filohany, Andriamahatsangy Lahatra. Andiany voalohany ity “salon” hatao any Toamasina ity hitsimbinana ireo mpianatra vao afa-panadinana bakalorea farany teo. Tanjona ny hanampiana azy ireo amin’ny fisafidiana lalam-piofanana arahiny manomboka eto ahafahany mijery ny hoaviny. Eo koa ny fampahafantarana ireo tanora ny karazana sekoly ambony sy ivontoeram-piofanana azon’izy ireo hanohizana ny fianarany na any Toamasina izany na eto Antananarivo. Ankoatra izany ny fampahafantarana amin’ny antsipiriany ny saram-pianarana, ny lentan’ny diplaoman’ireo oniversite, ny faharetan’ny fampianarana, ny fandaharam-pianarana, ny fomba ahafahana miditra mianatra amin’ireny oniversite ireny ary indrindra, ny fianarana asa mandritra ny fianarana izay takin’ireo oniversite amin’izao fotoana izao.

Sehatra mampivondrona amin’ny toerana iray ireo karazana oniversite sy tolotra fanabeazana, araka izany, ity hatao ao Toamasina ity.

Hisy ny fitsapam-pahaizana maimaimpoana momba ny fahaizana teny frantsay hataon’ny Alliance française Toamasina ao anatin’ny roa andron’ny hetsika.

Anisan’ny manana orinasa betsaka i Toamasina amin’ny maha renivohitra toekarena azy. Mitaky tanora vonona amin’ny asa ireo orinasa ireo ka hamolavola ireo tanora hiantsehatra amin’ny asa ny antom-pisian’ny oniversite na miankina na tsy miankina izany. Manankarena tanora ihany koa i Toamasina ka rariny raha hiasa amin’ny orinasa ao an-tanàna ihany ireo tanora ao an-toerana nahavita fianarana amin’ny oniversite.

Tatiana A

 

Les commentaires sont fermées.