Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Latsaky ny 1,9 dolara/andro: mahantra ny 76 %-n’ny Malagasy

Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, ny 17 oktobra teo, mponina aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika ny antsasany mahery ny olona mahantra eto ambonin’ny tany. Anisan’izany ny eto Madagasikara satria tsy mandray vola na karama mihoatra ny 1,9 dolara isan’andro ny Malagasy iray, izany hoe, latsaky ny 6 650 Ar isan’andro.

Nitsotra ny solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena eto amintsika, Rtoa Coralie Gevers, fa « mbola ho ela sy sarotra ny ady amin’ny fahantrana ho an’i Madagasikara… Ilaina ny fampiasana ny fomba samihafa hampihenana azy, toy ny fampiasana ny teknolojia vaovao sy ny fahaiza-manaon’ny tanora ».

Tsy tratra ny tanjona 2015

Ho an’ny filohan’ny Banky iraisam-pirenena, i Jim Yong Kim, « tanjona ny hanafoanana ny fahantrana lalina mialoha ny taona 2030 sy hampivoarana ny fari-piainan’ny rehetra ».

Tsiahivina fa tsy tratra ny tanjona napetraky ny Firenena mikambana sy ho an’i Madagasikara ny tanjon’ny taonarivo fahatelo, hampihenana antsasany ny olona tena mahantra, ny taona 2015 teo. Kely koa ny finoana hanatrarana ny tanjona 2030 raha tarafina amin’ny tsy fisian’ny fandrosoana azo tsapain-tanana eto amintsika, ary anisan’ny mahatonga izany ny toe-draharaha politika tsy misy fahatoniana. Eo koa ny tsy fandriampahalemana tsy mamparisika ny mpampiasa vola vahiny, mahatonga ny tsy fahampian’ny asa miforona ho an’ny tanora, sns.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.