Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra: hanome vola ireo mpianatry ny Vontovorona ny Barea

Kitra: hanome vola ireo mpianatry ny Vontovorona ny Barea

Naneho fanohanana, ho an’ireo mpianatra eny amin’ny oniversiten’ny Vontovorona, ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar. Nanapa-kevitra ry zalahy fa hanome manontolo ho azy ireo ny “prime de match”-ny.

Na teo aza ny fitoraham-bato nataon’ireo mpianatra sasany ao amin’ny Ecole supérieure polytechnique Vontovorona, tamin’ireo mpilalao vitsivitsy tao amin’ny Barea de Madagascar sy ny mpanazatra, ny talata 16 oktobra lasa teo, tsy nitana alahelo amin’izany ry zalahy fa mbola naneho fitiavana indray. Fantatra mantsy fa nanao fanambarana miaraka ireo mpilalao notarihin’ny kapitenin’ny ekipa, i Faneva Ima, fa hatolotra iray manontolo ho an’ireo mpianatra ny “prime de match », taorian’ny fandreseny an’i Ginea Ekoatorialy. Mitentina 250 euros isan’olona io vola io ary ny 12 novambra ho avy izao no tokony hanome izany ho an’ireo mpilalao ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).

Mba ho fanehoana firaisankina amin’ireo mpianatra noho ny fahatsapan’ny Barea ny fahasarotana amin’ny fiatrehana ny fianaran’izy ireo ny anton’ity fihetsika ity.

Tsy izay ihany fa sady hividianana fitaovana ho azy ireo, taorian’ilay resaka fangatahana fanampiana ho an’ny mpianatra nataon’i Faneva Ima. Raha tsiahivina, nitaraina taminy ireo mpianatra ireo, mikasika ny fijalian’izy ireo, nandritra ny fandalovan’ny Barea teny Vontovorona, ny andron’ny lalao nikatrohana tamin’i Ginea Ekoatorialy.

Miandry ny ho fihetsiky ny federasiona malagasy izany sisa ny rehetra. Ny Barea sy ny FMF izay manana ady mangatsiaka, tsy mbola nahitana vaha-olana.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.