Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: samy variana amin’izay manahirana azy

Asa izay marina fa maresaka eto amin’ny fiarahamonina an-drenivohitra izany hoe tsy namelana firy ny tsipoapoaka tamin’ity taona ity. Tsipoapoaka ravak’Iarivo manokana rehefa mamarana ny volana ôktôbra mandra-pitsidiky ny volana novambra. Samy mitazana fa tsy mitovy ny fahitana. Mitovy kosa anefa ny filazana ny anton’ny tsy fahatsapan’ny andaniny ny fisehon’ny marina. Eo ireo milaza fa jembin’ny fahasahiranana angamba ireo sasany ka tsy nahatandrina akory ny fitanondriky ny vonin’ny tsipoapoaka, toy izany koa ny valin’ny ankilany izay feno esoeso amin’ny fanambarana fa sodokan’izay mahavariana azy ny olona ka na ny matroka aza raisiny ho mamiratra. Matetika ireo olona milaza azy ho leo pôlitika no miverina amin’ny antony pôlitika entiny ho fanazavana ny seho isan-karazany. Mivaona any amin’izay tsy izy indraindray ny fifandresen-dahatra. Toy ny maro amin’ny zava-maniry moa mifandimbidimby ny taona tena ivelaran’ny vony sy ny taona tsy amokarany firy. Fantatry ny mpamboly hazo fihinam-boa izany, ny fifanekena ifanarahan’ny mpamboly sy ny mpanangona vokatra matetika dia mifehy ny vokatra mandritra ny roa taona mifanesy. Raha iverina amin’ny famelan’ny tsipoapoaka dia ity taona ity angamba dia taona manify. Mifanehatra amin’ny fotoana fitsidihan’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika izany ka tsy mahagaga raha misy mampifandray ny fanifin’ny famelan’ny tsipoapoaka amin’ny fanifin’ny fahefam-bidin’ny vahoaka sy ny fahatevenan’ny fasahirananan’ny mponina.

Tsy azo hodian-tsy jerena ny fitobaky ny vola arotsaky ny fampielezan-kevitra. Vola manamaivana olana any

amin’ny tokantrano vitsivitsy izany hoe maromaro. Na asa antselika tsy maharitra aza no nateraky ny fampielezan-kevitra dia misy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka, toy ny famoronana asa rehetra. Tsy ifanomezan-tsiny izany ary tsy ireo olona mahita hirika kely indray no andrasana hitaraina. Zarany aza hisy fifidianana mandava-taona. Eo indrindra anefa ny resaka, inona ny fiovana azon’ny mponina antenaina avy amin’ity fifidianana izay andraisany anjara ity, na eo amin’ny famalifalina ny mpifidy na eo amin’ny maha mpifidy azy. Moa ve ireny olona rehetra milahatra ao anatin’ny diabe fandresen-dahatra dia afaka ho heverina fa efa resy lahatra avokoa, ka handatsa-bato ho an’ilay olona izay lanjainy an-tratra ny sariny ? Tsy fantatra raha maro fa azo heverina ho misy ireo efa mahafantatra fa efa mifantoka any amin’iray hafa ny safidiny. Karama no mahatonga azy hiambozona ny sarin’iny mpilatsaka iny.

 

Léo Raz

 

 

Les commentaires sont fermées.