Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Herinandron’ny Havatsa »: roso amin’ny velakevitra ny hetsika

« Herinandron’ny Havatsa »: roso amin’ny velakevitra ny hetsika

Teny amin’ny lapan’ny Akademiam-pirenena malagasy, eny Tsimbazaza, no nanokafana ny « Herinandron’ny Havatsa » ny alatsinainy teo. Notohizana etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, tamina ranty sy varo-boky ary antsa tononkalo, izany. Roso amina velakevitra sy resadresaka amin’ireo « Oloben’ny haisoratra » mpikambana ao amin’ny Havatsa-Upem kosa ny fandaharam-potoana, anio tolakandro, ao amin’ny Rarihasina Analakely ihany.  Anisan’ireo i Esther Randriamamonjy, i Lala Rakotoson Agnès, i André Rakotondranaivo, i IP Andriamangatiana.

Iray amin’ireo mampiavaka ny fampirantiana ao anatin’izao « Herinandron’ny Havatsa » izao ny fisian’ny fafana manokana milaza ny momba ireo mpanoratra tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ny sanganasany. Ny ankamaroan’izy ireo, « zokiben’ny asa soratra », toa an’i Ny Avana Ramanantoanina, i Jean Narivony, i Jasmina Ratsimiseta, Rafanoharana, i Jean Joseph Rabearivelo, i Rado, i ED Andriamalala, i Dox, sns.

Marihina fa mitohy hatrany ny ranty sy ny varo-boky eny amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Tsy hifarana izany raha tsy ny asabotsy 28 oktobra izao izay ahitana antsa tononkalo sy famakiana asa soratra.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.