Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanohanana ny tanora: nomen’ny kandidà Rajoelina 10 tapitrisa Ar ny FTKLM

Tsy diso anjara noho ny tsy fanavahana finoana sy fivavahana. Notoloran’ny kandidà Rajoelina vola 10 tapitrisa Ar ny FTKLM, tamin’ny “Zaikabe faha-20” natao tany Fierena Toliara 16 hatramin’ny 21 oktobra teo. Na tsy tany an-toerana aza ny mpanorina ny IEM nanolotra izany, nankasitrahan’ireo tanora FLM izany noho ny tsy fanaovany tombo sy hala eo amin’ny fiangonana. Nahazo vola sy fanomezana avy amin’ny kandidà hafa koa anefa ireto eo anivon’ny FTKLM ireto tamin’izany.

Na izany aza anefa, nahagaga fa tsy tonga any amin’ireo tanora izany vola avy amin’ny kandidà Rajoelina izany ary tsy mazava ny fitantanana fa mijanona ho eo an-tanan’ireo komity mpitantana. Tahaka izany koa ny vola fanampiana avy amin’ny kandidà hafa. Tsy tonga any amin’ny komity fa nafitsaky ny mpitahiry vola na efa nambara aza fa efa nalefan’io kandidà io any aminy izany.

Araka izany, tokony hazava ny tahaka izao ary hanaovana fanadihadiana sy mangarahara, indrindra fa resaka fitantanam-bolan’ny fiangonana izy ity.

Randria

 

Les commentaires sont fermées.