Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CFM: « Aoka hiroso amin’ny fifidianana anaty fitoniana isika»

Miezaka mandamina. “Tsy misy mahazo tombontsoa amin’ny korontana fa tokony hizotra ho any amin’ny filaminana isika. Aoka ho fifidianana anaty fitoniana tanteraka”, hoy ny filohan’ny CFM,  i Maka Alphonse, omaly tetsy Ampefiloha. Nohitsiny fa tsy tokony ho tonga amin’ny krizy intsony ny firenena sy ny vahoaka malagasy. “Tsy vahaolana ny korontana sy ny fandatsahan-dra. Tsy misy mahita tombontsoa amin’ny tsy fitoniana izany eto…”, hoy ihany izy. Nitondrany fanazavana koa fa tsy anjaran’ny CFM ny mikarakara fifidianana sy ny mametra ny daty. Nohamafisiny fa mametraka tontolo politika milamina ny iraka ampanaovina azy ireo araka ny lalàna. Eo koa ny nanaovana ny dina ho amin’ny fitsipi-pitondrantenan’ireo kandidà ary ny fidinana ifony manazava ny tsy hisian’ny savorovoro eto amin’ny firenena. “Mpampihavana izahay ary mampirisika antsika hiresaka anaty fikarohana vahaolana ho amin’ny fitoniana…”, hoy ny CFM.

Synèse R.

 

 

Les commentaires sont fermées.