Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampasimasava: moto nifandona tamin’ny kamiao, olona iray maty

Ampasimasava: moto nifandona tamin’ny kamiao, olona iray maty

Nifandona tamin’ny kamiao iray indray moto Scooter iray tany Ampasimazava Toamasina, omaly maraina. Maty tsy tra-drano ilay rangahy nitondra moto, raha naratra mafy ilay vehivavy tao aoriana. Tao anaty fiolahana ny nitrangan’ny loza. Mafy ny fifandonana, saingy tena voa mafy ireo tamin’ny moto, izao nitarika ho amin’ny fahafatesana izao.

Nentina tany amin’ny hopitaly ny razana sy ny naratra. Nandray an-tanana ny raharaha ny polisy.

Ny loza ateraky ny moto izay miverimberina loatra eto amintsika. Vao afakomaly, nisy loza nahafatesana olona roa tamin’ny moto tany Miarinarivo. Tsy misy ny fepetra mifanaraka amin’izany raisin’ny manampahefana, saingy mety ampy hisorohana ny loza tsy hitranga kosa ny fitandreman’ny olona. Manamafy izany koa ny fianarana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ny tsy fandehanana mafy loatra, ny fisongonana, ny fampiasana ny fitaovana fiarovana amin’ny loza toy ny aroloha.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.