Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: tratra tany anaty “facebook” ny finday halatra

Toamasina: tratra tany anaty “facebook” ny finday halatra

Mety ho sarona tsara mihitsy ny entana halatra amidy anaty “facebook”, toy ity tranga tany Toamasina ity. Ny alin’ny 11 oktobra teo, vehivavy iray bevohoka sady mitrotro zaza no noendahin’ny jiolahy tamin’ny lalam-pasika antsoina hoe New Jack. Very tamin’izany ny finday iphone mitentim-bidy 3 tapitrisa Ar. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ilay ramatoa taorian’izay, ary natao ny fikarohana.

Fantatra fa hita tany anaty “facebook” amidy amin’ny vidiny mora, 180.000 Ar ilay finday. Voalaza fa tsy nisy nahavaha ny “code” tamin’ilay finday ka nokasain’ny mpangalatra hamidy mora. Nametraka vela-pandrika ny polisy ka voasambotra ny asabotsy teo, ilay mpanendaka. Ny polisin’ny Fip no nahasambotra azy ity. Tafaverina tamin’ny tompony ny finday. “Misaotra hatrany ireo rehetra manome tanana ny Fip amin’ny fanafonana ny mpanao ratsy, izahay”, hoy ny kaomisera Rafaliarivo Jules, lehiben’ny Fip.

Atolotra ny fitsarana tsy ho ela ity tovolahy mpanendaka ity.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.