Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sahirana ny mpandeha: tototra  ny seranan-tsambon’i Marovoay

Sahirana ny mpandeha: tototra  ny seranan-tsambon’i Marovoay

Tototra ny vavarano eo amin’ny seranan-tsambon’i Marovoay, efa ho 30 taona izao, tsy nisy nanadio. Mijanona any amin‘ny 1 km mialoha ny fidirana ny seranan-tsambo ireo lakamby mpitatitra vokatra avy any Madirovalo, Maroala, Manarantsandry, na Ambato Boeny.

Taona maro tsy nisy fanamboarana ny seranan-tsambon’i Marovoay. Tototra ny vavarano miditra eo aminy, ka voatery sarety indray no afaka mizotra amin’ny lalan’ny sambo, maka ireo vokatra mitondra izany hatreo amin’ny seranana, lasa mampitombo ny fandaniana. Marihina fa seranana ranomamy izy io avy amin’ny reniranon’i Betsiboka.

Mijaly ny mpandeha sy ireo mpanangom-bokatra ao amin’ny kaominina ambanivohitra anatin’ny distrikan’i Marovoay Ora dimy eo ho eo mandeha amin’ny lakamby mampitohy an’i Marovoay sy Madirovalo, mandalo Manaratsandry sy Maroala ; tafakatra valo ora ny fotoana lany raha miainga avy any Madirovalo noho ny fanarahana ny fiakaran’ny rano. Misy fotoana, tafahoatra noho izany raha voatery miandry ny fiakaran’ny rano.

Taloha tonga hatrany Mahajanga ireo lakamby

Tamin’ny andron’ny Fifabe (taona 80 sy 90), tonga hatrany Mahajanga ireo lakamby avy eo Marovoay manaraka an’i Betsiboka. Saingy hatramin’ny nahatototra azy izay, tantara mipetraka sisa izany. Ny vokatr’izay, miakatra ny fandaniana eo amin’ny fitateram-bokatra. Mora kokoa ny masonkarena amin’ny fitaterana sambo noho ny amin’ny fitaterana fiara.

Noho io olana eo amin’ny seranan-tsambon’i Marovoay io ihany, betsaka ny olona mandeha amin’ny fiara miampita mankany Ambato Boeny izay vao mitodika any Marovoay, saingy tafakatra avo telo heny ny saran-dalana.  Raha 5.000 ar ny mandeha amin‘ny lakamby  mampitohy an’i Madirovalo sy Marovoay, tafakatra 18.000 ar izany raha mihodina avy any Ambato Boeny. “Ny tombony amin’izay ny fotoana azo, satria mety ho tonga alohan’ny sambo ny fiara”, hoy ireo mpandeha.

Vary, katsaka, lojy, mangahazo, saonjo, ny maro amin’ireo vokatra. Ny atahorana anefa, mihen-danja isan-taona ireo vokatra ireo noho ny tsy fahampian-drano sy ny fiovaovan’ny toetr’andro. Olana iray lehibe mahatonga izany ny fahasimban’ny fotodrafitrasa momba ny fambolena sy ny fitaterana any amin’ny lemak’i Betsiboka. Efa namolavolana tetikasa izany ny taona 1999 niarahana tamin’ny Fofifa (Foibem-pirenena momba ny fikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana), fa nijanona resaka ambony latabatra fotsiny.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.