Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raharaham-pirenena: miketrika fanonganam-panjakana ny HFI sy ireo kandidà sasany

Raharaham-pirenena: miketrika fanonganam-panjakana ny HFI sy ireo kandidà sasany

Lany lainga ireo kandidà sy mpanao politika sasany ka manao ny paika maloto rehetra mifanohitra amin’ny demokrasia raha miainga amin’ilay fifanatrehana teo amin’ny Ceni sy ireo mpilatsaka hofidina vitsivitsy, ny herinandro teo, teny Nanisana. Azo adika ho fanonganam-panjakana tsotra izao ny hevitra sy ny fihetsik’izy ireo.

Fa iza moa ireo kandidà ireo no sahy mandingana ny andrimpanjakana hafa ka hilaza fa horavana ny governemanta ary hatsangana ny rafi-pitsarana manokana hisahana ny fifidianana (CES) ? “Tena efa fanonganam-panjakana tsotra izao fotsiny izany”, hoy ny kandidà Ratsiraka Roland. Miketrika ny haka fahefana amin’ny paikady maloto ka ho lasa filoha, na minisitra ny maro amin’izy ireo ka hijanona eo amin’ny alalan’ny Tetezamita handripaka ny harem-pirenena. Hitam-poko sy hitam-pirenena tsotra izao anefa izany fanakorontanana ny fiainam-bahoaka izany. Afaka 16 andro anefa ny fifidianana, fomba demokratika handraisana fahefana.

Mivaona amin’ny andraikiny ny Ceni

Efa fandikan-dalàna tsotra izao izany fakana fahefana, tsy nifampierana amin’ny vahoaka ketrehin’ny sasany izany. Midika ho firosoana amin’ny Tetezamita izany fihaonambem-pirenena kasain’izy ireo hatao izany, niainga tamin’ ilay famoriana ny kandidà ary hanery ny fitondrana : ny HCC, ny Ceni, ny governemanta  hanemotra fifidianana sy hanaiky ny paika maloton’izy ireo.

Tsy andraikitry ny Ceni ny mikarakara fihaonambem-pirenena. Asa sahaniny ny fikarakarana fifidianana.  Tsy mazava rahateo ny fihetsika sy ny lalao tian’ny filohan’ny Ceni tao anatin’io adihevitra io. Mivaona amin’ny andraikitra tokony hotantanany. Toa manome vahana ireto kandidà ireto sy hanamora ny dingana hirosoan’izy ireo ny tenany ho amin’ny fifanarahana politika. Tsy afaka hanova, na handrodanana governemanta anefa izany, na koa hanokafana indray ny lisi-pifidianana.

Fiketrehana Tetezamita miaraka amin’ny HFI

Etsy andaniny, tsy an-kiato ny fivorian’ny Hetsika ho amin’ny fanorenana ifotony (HFI) ny faran’ny herinandro teo. Nitarika izany ry Rasolofo René, Manantsoa Victor, Joseph Yoland. Nanatrika kosa ry Ninie Donia, Tabera Randriamanantsoa…  Hanomana izany ambara fa fihaonambem-pirenena izany izy ireo. Hitohy eny amin’ny CCI Ivato ny fihaonana ny alarobia izao ary iarahana amin’ny Ceni hatrany. Haharitra roa andro ny dinika ka hiketrehana fitondrana Tetezamita.  Na eo aza anefa izany, tsy afaka ny hanao tsinontsinona ny zon’ny vahoaka hifidy ny ho filohany ireo kandidà vitsivitsy ireo sy ny HFI. Efa mazava, araka ny lalàna fa ny 7 novambra izao ny fifidianana. Ka iza izany ny ao ambadik’izao fiketrehana fanonganam-panjakana izao ? Iza koa ny mahazo tombontsoa amin’ny tsy hanaovana izany fifidianana izany ?

Miboridana imasom-bahoaka ireo kandidà…

Tena miboridana eo imasom-bahoaka ireo be resaka sy mitonona ho “tia tanindrazana” ary namoky lainga hatramin’izay. Mamba noana amin’ny fahefana sy zatra kitapo latsaka amin’ny Tetezamita. Tsotra anefa ny hevitry ny vahoaka : Hifidy filoham-pirenena izy amin’ny 7 novambra. Efa hita tsotra izao ilay hevitra, hanomana ny sain’ny olona tsy hanaiky ny voka-pifidianana miaraka amin’ilay sarimihetsika fanakorontanana sy Tetezamita hotantanin’ireo kandidà ireo sy ny HFI…Leo sy tofoka amin’ny paika maloto, tahaka izany, ny olom-pirenena ary tsy zazakely, na hobadoina amin’ny hevitra an-taingina hamotehana firenena.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.