Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Barea de Madagascar: misy ady mangatsika eo amin’ny mpilalao sy ny federasiona

Kitra – Barea de Madagascar: misy ady mangatsika eo amin’ny mpilalao sy ny federasiona

Na tsy hita mivantana aza, mitranga ny tsy fifankahazoana eo amin’ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar sy ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Resa-bola no hifandiran’ny roa tonta.

Nahoraka be, tao anaty tambanjotran-tserasera, ny faran’ny herinandro teo fa mety tsy ho anisan’ireo mpilalao ho tazonina ao anatin’ny Barea de Madagascar, hiatrika ny Can 2019, Andriantsima Faneva Ima sy Nomenjanahary Lalaina (Bolida). Voalazan’ny vaovao fa namoaka fitenenana mahery, tamin’ny federasiona izy mirahalahy ireo.

Araka ny fanadihadiana, niainga tamin’ilay lelavola 100 tapitrisa Ar, nomen’ny fitondram-panjakana malagasy, ho an’ny Barea de Madagascar, taorian’ny nahazoana ny tapakila hiatrehana ny Can 2019, ny disadisa.

Voalaza fa avy hatrany dia nozarain’i Faneva Ima, kapitenin’ny Barea, ho an’ireo mpilalao rehetra ny vola, ka teo no tsy nahafaly ireo mpitantana teo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tetsy an-kilany, nangataka i Bôlida fa tokony hampitoviana, tamin’ny vola nozaraina tany Ginea Ekoatorialy, ilay azo teto Madagasikara.

Omena ireo filohan’ny ligy

Heno ihany koa fa toa nitaky ny hanomezana anjara vola, ho an’ireo filohan’ny ligy roa niaraka tamin’ny Barea, tany Ginea ny federasiona, izay nilaza ihany koa fa mbola nisy vola tokony ho efaina, tamin’ny fandehanan’ny Barea, nihazo an’i Madagasikara, saingy tsy nanaiky izany ireto mpilalao. Taorian’io, niely ny feo fa hoesorina tsy ho anisan’ireo hiatrika ny Can 2019, i Faneva Ima sy i Bôlida.

Hatreto anefa tsy mbola nisy filazana ofisialy, avy amin’ny federasiona ny fahamarinan’izany vaovao izany. Manoloana izany, efa nanambara tao anaty tambanjotra i Bapasy sy i Voavy Paulin, fa hiala tsy ho ao anatin’ny Barea de Madagascar, raha toa ka hoesorina ao anaty ekipam-pirenena, i Faneva Ima sy i Bolida.

Tsiahivina fa efa nitondra ny alahelony sy ny fanakianany ny FMF ihany koa i Nicolas Dupuis, tamin’ny fihetsika tsy firaharahana azy ireo, taorian’ny nahatafakatra ny Barea, hanao Can 2019.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.