Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hitondra fampandrosoana: tokony harindra ny fiterahana

Hitondra fampandrosoana: tokony harindra ny fiterahana

Tsy maintsy harindra ny fitomboan’ny mponina sy ny fandrosoan’ny toekarena mba hisitraka fiainana milamina ny isam-batan’olona ho an’i Madagasikara manokana, araka ny tatitra momba ny mponina taona 2018, navokan’ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA), ny herinandro lasa teo teny Anosy. Tokony hanana ny fahafahana misafidy ny isan-jaza sy ny fotoana hiterahany ny vehivavy tsirairay arakaraka ny zava-misy iainany. Rehefa mirindra izany, afaka mamokatra sy mitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny toekarena izy ireo. Mbola maro loatra ny isan’ny zaza teraka ho an’ny vehivavy iray eto amintsika ka latsaky ny 25 taona ny antsasamanilan’ny Malagasy. Mila hamafisina ny fanabeazana sy ny fananahana ara-pahasalamana dieny any an-dakilasy ny ankizy. Tokony hitovitovy kokoa ny fari-pahaizan’ny olona an-tanan-dehibe sy eny ambanivohitra mba hifandanja ny fivoarana amin’ny lafiny rehetra, hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny teti-pivoarana, i Napetoky Marcel. Rehefa ampy fahalalana ny vahoaka, afaka mamokatra. Tokony hametraka politika ny fanjakana ahafahan’ny vehivavy mahazo fanafody fandrindram-piterahana maoderina sahaza azy.

Miara-miasa amin’ny fanjakana malagasy ny UNFPA amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Toekarena, ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’ny fanapariahana ny fanafody ahafahan’ny vehivavy sy ny tanora mandrindra ny fiterahana sy misoroka ny vohoka tsy nirina. Ho an’ny dimy taona 2015-2019, mahatratra 33 tapitrisa dolara ny tetibola hanatanterahana ny asa.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.