
Havaozina, na atao « carénage » i “Telonify”, sambo mpanara-maso ny sisin-dranomasina andrefan’i Madagasikara, fananan’ny orinasam-panjakana CSP (Centre de Surveillance de Pêche). Tsy nisy fanamboarana io sambo io nandritra ny fito taona, kikisan’ny rivotra, ny orana ary ny ranomasina. Manodidina ny 70% ny nahitana fahasimbana aminy : arafesina ny vy, simba ny ivelany sy ny ao anatiny, simba ihany koa ny tariby mitondra herinaratra. Izany indrindra no tsy nahazoany intsony ny fahazoana miandriaka (permis de navigation) avy amin’ny APMF*, ny taona 2017, raha tamin’ny 2011 no namboarina farany.
Ilaina ny fanaraha-maso ny sisin-dranomasina ho fiarovana ny harena mba ho fitrandrahana ara-dalàna, sy ara-drariny ary mitsinjo ny taranaka ho avy. Noho ireo anton’ireo, ataon’ny minisiteran’ny Jono sy ny harena anaty rano laharam-pahamehana ny fanavaozana izany sambo izany, tafiditra anatin’ny tetikasa Swiofish 2, tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena.
“Amboarina avokoa na ny ivelany, na ny ao anatiny, atao vaovao sy mafy ireo fitaovana rehetra ampiasaina ao anatin’ny sambo”, hoy Rajaonarivony Jimmy, mpitantana ny asa. “Sambo mahery vaika mpanara-maso sisin-dranomasina izy io, noho izy mitsitsy solika ary afaka miditra amin’ireny helodrano ireny, satria kely ny tirant d’eau”, hoy ny lehiben’ny tantsambo mitondra azy, Andriatahina Jeanson Pascal.
Hiditra avy hatrany amin’ny fanaraha-maso ilay sambo rehefa vita ny fanavaozana azy. Vahaolana iray mampidi-bola betsaka anaty kitapom-bolam-panjakana ary miaro ireo harena anaty rano izany, raha tena ampiharina ny lalàna ato anatiny sy iraisam-pirenena.
Apmf : Agence portuaire maritime et fluviale
R.Mathieu
Les commentaires sont fermées.